airtel

Politique

06-juin-2023

Politique

Fidinana an-dalambe teny amin’ny 13 may

Sample post image

Hotsaraina afaka 10 andro i Nambinina sy Doris

06-juin-2023

Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny trano fonenany teny Andoharanofotsy Rtoa Doris Rakoto Samuel omaly alatsinainy 05 jona 2023 maraina. Tohin’ny raharaha fitarihana olona hidina an-dalambe teny amin’ny Kianjan’ny 13 may ny andron’ny alarobia 31 may lasa teo no antony. Efa nisy ny fisamborana sy fampidirana am-ponja vonjimaika an’i Nambinina Raherimampianina izay fitarihana olona hidina an-dalambe sy faniratsiratsirana miampy fanompana ny mpitandro filaminana no voalaza fa antony. Herinandro latsaka taty aoriana, namoahan’ny fampanoavana didy fampisamborana ihany koa Rtoa Doris Rakoto Samuel, izay izy no tena nanao ny antso. Araka ny fanazavana nentin’ny Kolonely Ravelomanana Tahina Lehiben’ny Sampana fikarohana ny heloka bevava etsy Fiadanana, dia didy avy amin’ny fampanoavana no nanome baiko azy ireo hikaroka sy hisambotra ka anjaran’ny mpitandro filaminana ny manatanteraka izany. Tsy nisy olana fa naseho azy ny taratasy maneho izany. Nokarohana sy nosamborina ary natao fanadihadiana, ary natolotra avy hatrany ny mpitsara avy eo. Mitady ireo olon-dratsy no asanay ary manolotra azy amin’ny Fitsarana. Anjaran’ny Fitsarana indray no manenjika azy avy eo. Anjaran’ny Fitsarana no mamaritra avy eo hoe: nisy ny fandikan-dalàna sa tsia”, hoy io manamboninahitra io. Rehefa natolotra ny Fampanoavana, dia napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana na “Sous contrôle judiciaire” ny tenany, ary hiakatra fitsarana ny 16 jona izao izy sy Nambinina Raherimampianina. Inona marina no antony nahatonga ny Fanjakana hanapa-kevitra hisambotra azy tampoka azy indray rehefa nangingina taorian’ny 31 may ? Tsy tongatonga ho azy ny fisamborana sy fanolorana fitsarana haingana dia haingana tahaka ireny. Iza no manao tsindry ? Maro no naneho fa fanagadrana izany no fanomezana fetin’ny Reny avy amin’ny Fitondrana Rajoelina ho an-dRtoa Doris Rakoto Samuel ka izay ve no tsy nandefasana am-ponja azy vonjimaika omaly ? Tena atahorana tokoa ve izy ireo sa don-tandroka politika hoe:: izay mianakendry mitarika olona hidina an-dalambe eo dia hahita raharaha? Sa ahiana ho misy hery lehibe avy eto an-toerana na any ivelany mety ho ao an-damosin’ireny ka tsy maintsy fehezina? Ao anatin’ny vanim-potoana hankalazana ny fetim-pirenena izay hiresahana firaisankiana, fitiavan-tanindrazana,… isika ka asa hoe: izao ve ilay hoe: ny Fitivana no lehibe indrindra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap