nandritra ny Kongresy nasionaliny ny sabotsy 01 jolay teo tetsy amin’ny Magro Tanjombato, fa tsy maintsy hatao izay handrombahana ny fandresena ahafahana mametraka ny paikady hoenti-manarina ny firenena, ka nilazany fa manana adidy ny rehetra amin’ny fanavotam-pirenena. Nandritra io moa no nanamafisan’ny TIM ny fangatahana ny hirotsahan’I Marc Ravalomanana hofidiana indray. “Rehefa nihaino ny feon'ny fieritreretako aho, nandinika, namakafaka tsara, mametraka ny asa eo ampelan-tanan'Andriamanitra, matanjaka ny finoako,... Ekeko ny fangatahanareo ny haha kandida ahy. Tsy mora anefa ny adidy ny rehetra handray andraikitra hametraka fitondrana mahomby sy tsara tantana, ary tan-dalàna. Hovana izao zava-misy izao,... Tsy maintsy mametraka ny fepetra rehetra mandrombaka fandresena amin’ny alalan’ny fifidianana hitondrana ny firenena. Tsy maintsy mitondra ny fomba rehetra hanarenana ny firenena ahafahan’ny vahoaka miadana indray”, hoy I Marc Ravalomanana. Tehaka nirefodrefotra no nandraisan’ireo mpikatroka TIM izany, ary mbola manantena fatratra izy ireo fa ho tafaverina amin’ny toeran’ny Filoham-pirenena I Marc Ravalomanana izay nitondra ny 2002-2009, 15 taona aty aorian’ny raharaha 2009 nanonganan’I Andry Rajoelina sy ny ekipany azy, ary teo ihany koa ny fifidianana tamin’ny 2018 izay nanekeny ho resy. “Tsy maintsy miomana isika! Haverina amintsika vahoaka ny fahefana afaka volana vitsy ka mivonona handray izany isika rehetra, ka tsy maintsy miomana, vonona hiatrika fifidianana. Tsy maintsy vonona ary sahy hiatrika ny fifidianana, tsy maintsy hametraka ny fepetra ahafahana mandrombaka ny fahefana”, hoy hatrany I Marc Ravalomanana nanentana ny mpiara-dia aminy sy nanamafy ny fahavonany. Nanehoan’ny TIM ny tanjany ny kongresy nasionalin’izy ireo, nanambarana ofisialy ny maha kandida an’I Marc Ravalomanana. Efa nampoizina ary efa lojika politika ny mbola hirotsahan’I Marc Ravalomanana hofidiana indray, fa fanamafisana ny tamin’ny sabotsy teo. Hatreto, anisan’ireo kandida voasokajy ho tsara toerana I Marc Ravalomanana. Mbola hipetraka ve ny sary politika hatrizay dia ny endrika fibahanan’ny tenany sy ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina ny tontolo politika sy ny fifanandrinan’izy ireo tao anatin’ny 15 taona sa ho hafa mihitsy amin’izay ny ho fihodin’ny raharaham-pirenena ?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra