airtel

Politique

03-août-2023

Politique

Fifidianana Henjana ny fepetra ho an’ireo kandida ho Filoha

Sample post image

Taorian’ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy ho tonga hifidy Filoham-pirenena amin’ny 09 novambra 2023,

03-août-2023

daty navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ihany koa ny fepetra sy ny pitsopitsony momba taratasy firotsahan-kofidiana. Maro ny pitsopitsony ara-taratasy sy fepetra mahakasika an’io firotsahan-kofidiana io satria mahatratra 15 izany. Isan’ny goavana ny taratasy fanamarinana nomen’ny Sampan-draharahan’ny hetra manarina fa nahafeno ireo fepetra ara-ketra rehetra takiana ary efa afaka tamin’ny fitakian-ketra amin’ny endriny rehetra ; fanambaran’ny kandida manamafy fa efa nahefa ny hetra sy hava rehetra tokony hefainy ; fanambarana am-pahamarinana mikasika ny fananana trano sy ny tombam-bidiny miaraka amin’ny loharanom-bolan’ny kandida ; taratasy fanamarinam-ponenana manarina fa nipetraka teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara tao anatin’ny 6 volana farafahakeliny mialohan’ny andro nofaritana hifaranan’ny fametrahana ny firotsahan-kofidiana ; ; taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy latsaky ny enim-bolana. Io iray io no isan’ny adihevitra raha miverina amin’ny raharaha momba ny Filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina manokana, ary isan’ny andrasan’ny maro ny fitsarana azy sy ny mbola hahazoany an’io na tsia. Taratasy takiana ihany koa ny fanamarinana ny fanolorana ny kandida nataon’ny antoko politika mijoro ara-dalàna, na vondron’antoko politika mijoro ara-dalàna, na fanamarinana fanolorana avy amin’ny vondron’olom-boafidy araka ny andininy faha-7 amin’ny lalàna fehizoro 2018-009 momba ny fifidianana sy fitsapankevi-bahoaka. Tsy maintsy manao taratasy fanekena ny hankatoavana ny fepetra voarakitry ny lalàmpanorenana izay hapetraka eo anivon’ny HCC ny kandida. Tahaka izany ihany koa ny taratasy manarina ny fandoavana ny vola antoka izay efa misy lalàna mamaritra azy. Ny sary mifandraika amin’ny biletam-pifidianana ; dika mitovin’ny fanambaram-pananana ; fanambarana mahitsy maneho ny fanekena hanaja ny fepetra manan-kery mifandraika amin’ny famatsiam-bolan’ny fampielezan-kevitra, ka io no manamafy ny fangaraharahana, ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny kolikoly. Ankoatra ireo ny taratasy fanambarana ny firotsahan-kofidiana miaraka amin’ny sonia voamarin’ny manam-pahefana ; kopiam-pahaterahana feno na dika mitovin’ny karapanondrom-pirenena voamarina ; casier judiciaire nomen’ny fampanoavana mahefa ; dika mitovin’ny kara-pifidianana na taratasy fanamarinana fisoratana anarana tao anaty lisi-pifidianana.
TENA TSY HISY VE NY TOMBO SY HALA ?
Azo lazaina ho henjakenjana ny fepetra sy ny zavatra takiana, fa moa ve tena misy ny antoka ary tena mihatra ny lalàna eo anatrehan’ny mety ho tsy fanajan’ny kandida ireo fepetra toy ny fangaraharan’ny loharanom-bola. Raha miverina amin’ny 2018 ohatra, betsaka ireo kandida tsy nanao tatitra ny fampiasam-bolany dia inona no fepetra noraisina ? Nisy kandida nalaza ho nampiasa volabe 190 tapitrisa euros ary lany fa nisy fanadihadiana na famotorana azy na fanasaziana ve ? Inona no antoka fa hitovy ny fitantanana ny kandida eo anatrehan’ny lalàna, ny fahafahana, fahalalahana,… kanefa aty am-piandohana dia efa tsikaritra ny tombo sy hala ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap