airtel

Politique

11-mai-2023

Politique

Fifidianana sa tetezamita aloha ? Misafotofoto tanteraka ny toe-draharaha politika

Sample post image

Mizotra mankany amin’ny krizy politika goavana ny toe-draharaharaham-pirenena, raha tsy voalamina mialoha.

11-mai-2023

Misafotofoto tanteraka ny raharaham-pirenena rehefa tena dinihina ka mampametra-panontaniana hoe : inona no mety hitranga atsy ho atsy ? Samy mivoy sy mandrirotra izay metimety aminy ny mpanao politika ankehitriny, ka ny eo amin’ny fitondrana manitrikitrika fa izay voafaritry ny lalàmpanorenana no tokony harahina, eny eo anatrehan’ny resaka mipoitra momba ny mety hisiana tetezamita 6 volana, fikaonandoham-pirenena,... Ny adivarotra momba ny lalàm-pifidianana, ny fitsipi-dalao amin’ny fifidianana, ny hoenti-manana ara-bola,… mbola mitohy hatrany. Mandeha fiampangana ny teo aloha sy ny fiarovan-tena fa ny tsy ny fitondrana ankehitriny no nametraka ny lalàm-pifidianana misy,… Tsy tokony hirosoana ny fanovana lalàm-pifidianana amin’izao volana vitsy izao, mety hitondra korontana eto amin’ny firenena, ny mpitondra teo aloha no nanao an’io ka tsy tokony hisy fikitihana, hoy ny mpitondra. Izao fitondrana izao anefa no nilaza fa hampifidy ny olona tanana any am-ponja sy ireo mpila ravinahitra any ivelany ka lalàna tahaka ny no hifehy izany raha tsy hikitika lalàm-pifidianana? Ny maripana politika miha miakatra hatrany, ary ny iraisam-pirenena aza nanameloka ny Fitondrana Rajoelina amin’ilay raharaha fanakanana ny famoriam-bahoaka ara-politika an-kalamanjana. Nambara fa saika niteraka korontana teto amin’ny firenena hatrany ny fidinana an-dalambe mialohan’ny fifidianana, ka antony nandraisana, izay nolazaina fa mihatra amin’ny antoko rehetra. Ny aty amin’ny fanoherana misy ny manitrikitrika fa tsy miantso ary tsy mitady tetezamita izany, fa ny firosoana amin’ny fifidianana no mila himasoana. Ao ny milaza fa tsy misy maharatsy izany na ivelan’ny lalàmpanorenana aza rehefa izay no ahafahana mametraka lamina sy vahaolana mazava mialohan’ny fifidianana satria ho tandrametaka ny fifidianana halefa amin’izao endriny izao,… Ny sehatra iraisam-pirenena etsy andaniny manao firesaka diplaomatika mampieritreritra dia ny hoe: tsy manery ny hisian’ny tetezamita, ary tsy mandà izany raha izay no ifanarahan’ny herivelona rehetra.
AHOANA NY VOLA HANOMANANA FIFIDIANANA ?
Tetsy andaniny, niparitaka ny dosie saropady mikasika ny fifampiresahan’ny Fanjakana sy ny Vondrona Eoropeanina mitondra ny datin’ny 29 may, izay mirakitra fa nahena tsy hihoatra ny 70 miliara Ar ny tetibola hoenti-manatanteraka ny fifidianana Filoham-pirenena. Tany amin’ny 143 miliara Ar anefa no nangatahana ny fiandohan’ny janoary. Ny mpiara-miombon’antoka tahaka ny Vondrona Eoropeanina mbola baraingo ny famatsiana ara-bola hoentiny amin’ny fifidianana, miandry ny kitapom-bola na “basket fund”,… Tsara anefa ny mampahatsiahy, fa 15 tapitrisa dolara no natolony tamin’ny 2018. Izy ireo izay namoaka tolo-kevitra tokony hotanterahana na “recommandation” mikasika ny fifidianana, toy ny fanamboarana ny lalàna, famerana ny vola ampiasain’ny kandida,… saingy mbola tsy nisy tanteraka. Milaza kosa anefa ny Fanjakana fa efa an-dalam-pandinihana ny famaritana ny tetibola mazava kokoa ny ny teknisianin’ny CENI sy ny governemanta. Fifidianana tahaka ny ahoana no handeha amin’izany? Maneho ny sary rehetra fa misafotofoto ambony ambany ny raharaham-pirenena ary tompon’andraikitra feno amin’ny hilaminana na hanampy ny fikorontanana ny mpanao politika, indrindra ny eo amin’ny fitondrana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap