Navoitran’ny mpitondra Malagasy, fa fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta no tena natao tao anatin’izany. Ara-politika, nambara fa vonona amin’ny fanohanana ny fandaharan’asan-dRajoelina dia ny PEM ny Fanjakana Frantsay; hanampy amin’ny fikarakarana fifidianana amin’ny alalan’ny fandrotsaham-bola ao anatin’ny “basket fund”; hanampy amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka amin’ny alalan’ny fanarenana ny kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines; hanohana ny firosoana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny politikam-pirenena mikasika ny fari-dranomasin’i Madagasikara sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon'ny Nosy. “Deraiko manokana ny fahavononan'ny Fitondram-panjakana Frantsay hanohana sy hiombon'ezaka amin'ny fanatanterahana ny "Plan Émergence Madagascar" sy ny fanomanana fifidianana madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra afaka volana vitsy.Nisaotra manokana amin’ny ambara fa finiavan’ny Fanjakana Frantsay amin’ny finiavana hanampy, hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Raha zohiana amin’io, nahazo toky tamin’ny Frantsay indray ny Fitondrana Rajoelina. Tsy vao sambany io, fa efa hatrany amin’ny tamin’ny fihaonana ny 27 aogositra 2021 no efa nanambara ny Filoha Frantsay fa vonona tanteraka i Frantsa hanohana ny fampandrosoana an'i Madagasikara araka ireo laharam-pahamehana nofaritan'ny Fitondram-panjakana. Teo no efa nivoaka ilay sora-bola 240 tapitrisa euros. Mbola nohamafisina io nandritra ny fihaonana ny 29 aogositra 2022, fa amin’ny fanohanana avy amin'i Frantsa ho fanatanterahana ireo tetikasa eo amin’ny sehatry ny fambolena, ny fanabeazana, ny fanajariana an-tanan-dehibe ary ny fanantanterahana ireo fanamby amin'ny ady amin'ny haintany any Atsimon'i Madagasikara,... Amin’ny politika, tsy tongatonga ho azy ny fihaonana tahaka ireny fa misy dikany sy antony. Somary manaitra ny ambara fa fahavononan’ny Frantsay amin’ny fanohanana ny PEM amin’izao 3 na 4 volana tsy hifaranan’ny taom-piasan’ny Filoha ankehitriny izao. Tahaka izany ihany koa ny hoe : hanohanany ny fikarakarana fifidianana, izay isan’ny ho kandida ny Filoha ankehitriny raha ny fihetsiny. Midika fa nahazo toky amin’ny hanohanan’i Lafrantsa azy ve i Andry Rajoelina ka efa ny aorian’ny fifidianan ity resaka fanohanana ny PEM ity? Inona no mety ho tambiny ao anatin’izany ? Sa kosa lalaovin’ny Fanjakana Frantsay ny fitondrana ankehitriny na koa fampanantenana tahaka ireo efa hita sy re matetika amin’ny tontolo diplaomatika ?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra