mifoha ny resaka hafa niainga tamin’ny fihetsiny, izay toa mamatotra azy tamin’iny raharaha iny. Misy mampahatsiahy ny karazana fijoroana vavolombelona nataony teny amin’ny CCI Ivato ny 25 martsa 2023 teo, tamina hetsika ara-pivavahana. « Ny papako dia "maramila" frantsay kanefa nandà ny hijanona amin'izany izy fa nanao maramila gasy rehefa tonga ny fahaleovantena tamin'ny 1960 », hoy i Andry Rajoelina. « Very teo izany ny naha-frantsay ny papan'i Andry. Eo aloha izany dia tsy mitombina ny hanan-janaka frantsay mihitsy i papan'i Andry rehefa niteraka azy ny 30 may 1974, satria malagasy ny papany, na dia lazaina hoe frantsay aza ny dadabean'ny papany (arrière-grand-père) », hoy ny tsoa-kevitry ny olona. Tsy nandova ny rainy tamin’ny fanaovana miaramila Frantsay ihany koa izy. « …. Tsy nanao kapôraly na lietnà na kômandà na kôlônely na jeneraly fa tonga dia lasa Lehibe Farantampon’ny Foloalindahy taty aoriana, lasa nisafo ny andian-tafika teo Mahamasina, rehefa nahazo Fanjakana tamin’ny fandrombaham-pahefana tamin’ny 2009 sy lasa Filoham-pirenena tamin’ny 2018. Lasa frantsay ihany izy ny 19 novambra 2014, rehefa feno 40 taona. Mbola manohy ny adihevitra mikasika ny nahazoany ilay zom-pirenena Frantsay, izay mahavery ny zom-pirenena Malagasy moa io, ary manamafy fa tsy nolovainy tamin’ny maha fianakaviana Frantsay azy ireo na “par filiation” ny nahazoany azy. Ny “naturalisation” rahateo dia niainga tamin’ny fangatahana, ary avy amin’io ilay didim-panjakana navoakan’ny governemanta Frantsay. Ny mpanohitra mandrirotra fa nanao famadihan-tanindrazana ity Filoha ankehitriny ity, ary tsy tokony hijanona amin’ny toerany intsony fa hahilika, ny mpitondra miaro fatratra fa tsy very ny maha olom-pirenena Malagasy azy,… Samy manana ny handroritany ilay lalàna ka rehefa inona no ampiharina ny lalàna iray ary rahoviana no hampanginina? Rehefa iza no lazaina fa namadika tanindrazana dia mitombina ary rehefa iza no tsy mitombina? Na inona na inona holazaina, nanaratsy endrika tanteraka an-dRajoelina iny, ary efa tsy afaka intsony satria hatramin’ny ankizikely aza efa misy miteny ankehitriny hoe: “Filoha vazaha!”
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra