airtel

Politique

23-juin-2023

Politique

Filohan’ny CENI “Leran’ny fifidianana izao fa tsy leran’ny savororovo”

Sample post image

Nitohy omaly 22 jona tetsy amin’ny Novotel Ivandry ny dinika politika notarihin’ny CENI, niantsoana ireo mpanao politika sy mpisehatra ara-pifidianana.

23-juin-2023

Fihaonana faharoa taorian’ny 24 martsa lasa teo io. Tao anatin’izany no nilazan’ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo, fa nisy ny vokatra nivaingana tamin’ny asan’izy ireo, ary efa hitahita soritra mazava ny eo amin’ny tontolo sy ny hoenti-manana amin’ireo asa miandry. Ao anatin’izany ny ara-bola sy ara-pitaovana, ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, ny datim-pifidianana, ny fanatanterahana ireo toromarika samihafa vokatry ny dingana,... Nilaza izy, fa manaraka tsara ny làlan-tsaina voalazan’ny lalàmpanorenana sy ny fifanarahana iraisam-pirenena ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ka tsy tokony hisy ahiahy mampisy resabe. Ny tanjona dia zavatra roa mazava, dia ny hampiditra ao anaty lisitry ny mpifidy ireo olom-pirenena manan-jo sy mahafeno fepetra, ary mba ho marina sy azo antoka ny lisitra izay mivoaka avy eo, hoy io Filohan’ny CENI io. Maneho fahavononana hikatsaka am-pilaminana ny fangaharaharan'ny fifidianana, ka ny lalan-tsaina mibaiko ny mba hanana lisitra feno, marina, azo antoka manaraka ny lalana, lalampanorenana, fifanarahana iraisam-pirenena. Naneho fa misy ny mangarahara, toy ny hoe: hita ao amin’ny tranonkala avokoa ny antontan'isa isaky ny distrika sy fokontany, misy fanamafisana ny fiarovana ny antontan'isa tsy ho azo hovaovaina (cryptage, filigramme). Mbola hisy fitsirihana na “audit” faharoa ataon'ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) izay nambara fa mifameno amin’ny an’ireo teknisianin’ny TIM sy HFKF. Nambara fa fanombohan'ny “Basket fund” na kitapom-bola hamatsiana ny fifidianana ny omaly. “Lera izao handehanana amin’ny firosoana ny fifidianana hanamafisana orina ny fitiavan-tanindrasana ho amin’ny tombotsoan’ny firenena, ka manome toky fa tsy hanodinkodina ny safidim-bahoaka fa hitantana am-pahamarinana ny fifidianana. Tsy lera kosa amin’ny filazana sy fanelezana vaovao tsy marina mampisavorovoro ny saim-bahoaka, ka miangavy ny CENI, tsy hatao fitaovana hanilihana ny mety ho tetika politika”. Mino sy mahatoky izany ve anefa ny rehetra ? Omaly ihany koa no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny tohana avy amin’ireo mpiara-miombonantoka dia ny tetikasa RPEDEM na « Renforcement du processus électoral et démocratique à Madagascar », ho tolo-tanana hanatraran’ny CENI ny vinany, izay haharitra 34 volana izany tetikasa izany.

Toky R

 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap