airtel

Politique

30-mai-2023

Politique

Filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD Nivoy fitsaram-bahoaka, niantso fankahalana mpanohitra

Sample post image

Nahery vaika ny kabarin’ny depiote Velontsara Paul Bert lany tamin’ny lokon’ny IRD sady filohan’io Vondrona parlemantera io mihitsy ny faran’ny herinandro teo tany Port-Bergé, toerana nahavoafidy azy.

30-mai-2023

Nampivarahontsana ny resany mikasika ny tsy fandriampahalemana izay nanomezany toromarika ny olona hanao fitsaram-bahoaka. "Raha tena voamarina fa olon-dratsy na dahalo ny olona voasambotra sy tratranareo any amin'ny toerana misy anareo dia aza ampiakarina aty an-drenivohitra intsony fa vitao tanteraka any ny momba azy ireny. Ataovy amin'ny fanaovana azy fa aza andaniana fotoana entina aty, vitao any anaty ala any", hoy ity depiote ity. Kabary toa mitory sy manamafy fa tsy azo itokisana na tsy azo antoka ny fitsarana? Mpikambana ao anaty andrim-panjakana mpanao lalàna anefa no manome toromarika eto. Manana ny heveriny ho fahamarinany izy raha izay tokoa no mety hampilamina ny tany saingy,, misy endrika fandrisihana ny vahoaka hamono olona na sanatria hifamono io. Hafa indray raha toa ka efa misy ny dina, saingy tsy maintsy mila fankatoavana amin’ny lalàna ihany koa ireny. Ara-politika ihany koa, vao ny 24 martsa ihany koa io depiote io no nanao kabary mifono fankahalana tao Mandritsara, nanaratsy mafy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Depiote Siteny Randrianasoloniaiko. "… Manentana atsika jiaby mba hahay hifidy fa maro ireo hilatsaka amin'izany. Marc Ravalomanana olona mpamono olona ka maro vahoaka natao zanadambo ny taona 2002 ary efa nilaza izy fa tsy hanaiky vokam-pifidianana eo raha tsy izy no lany eo" hoy i Velontsara Paul Bert. "Namana lany tato amin'ny vondrona IRD i Siteny Randrianasoloniaiko ka izao nivadika nanao Mihava Tour miaraka amin'ireo Solombavambahoaka vitsivitsy. Olona mpanondrana volamena antsokosoko ingahy Siteny, koa raha tonga eto aminareo aza jerena fa filoha Rajoelina ihany no nihintsika" hoy ity depiote ity. Raha nisy ny fandikan-dalàna na heloka nataon’ireo olona henjehiny, inona tokoa no tsy hitorian’ity depiote sy ny vondron’antokony na koa hanaovana fanadihadiana parlemantera? Inona no tsy handefasana ny raharaha eny amin’ny fitsarana sa te hanao an’ilay hoe : « ataovy amin’ny fanaovana azy » ? Tao anatin’ny famoriam-bahoaka ara-panjakana ankalamanjana io, natrehin’ny Minisitry ny atitany ka efa malalaka izany izy amin’izao sa tsy manan-kery amin’ny IRD moa ilay fepetra noraisina?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap