Milaza ho manohana vahaolana hisian’ny tetezamita antsoina hoe : GENIE (Gouvernement d’Entente Nationale Intermédiaire des Elections (GENIE) ny depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly 8 mey 2023, tao anatin’ny fandaharana Miara-manonja. Misy teboka lehibe 10 moa no voalaza fa ao anatin’io, ka tafiditra amin’izany ny resaka fanovana lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana. “Efa misy vahaolana any, anjarantsika no manohana na tsy manohana izany GENIE izany, tena teny ierana hatrany ifotony, ary rehefa tonga ny fifidianana tena hoe mitovy tantana ny rehetra, na ny vola ampiasaina aza ferana, tsy misy mahazo mirotsaka amin’ny fifidianana rehetra mandritra ny 8 taona izay ao anatin’io”, hoy io depiote io. Notsiphiny fa tetezamita tsy mitazona an’i Andry Rajoelina ho Filoha anefa no atsangana izany hoe : aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana iasany. “Mitazona an’i Andry Rajoelina ny zava-drehetra mantsy ny zava-drehetra, J-124 izy miala eo dia efa zava-dehibe izay, saingy mbola mieritreritra ny hiverina eo izy, mieritreritra ny hiberina eo, mbola mieritreritra haka izany fihodinana voalohany, ka izaho dia tsy mankasitraka izany”, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Notaterin’ny fampalalam-baovaon’ny Real TV ihany koa fa manaiky tetezamita ny HVM raha ao anatin’ny fifanarahana mazava. “Ivelan’ny lalàmpanorenana ny tetezamita, misy zavatra mitranga eto amin’ny firenena, tsy ampy ny hoenti-manana, tsy ampy ny fotoana hikarakarana, ny fifidianana natao handamina, ka raha izany no ilàna fifampiresahana dia mitaky fifampiresahana ny HVM. Ho petatoko io fifidianana io, isika tsy hahavita mazia, ka tsara ny mifampiresaka raha hitady ny tsara kokoa”, hoy I Rivo Rakotovao. Ity farany izay naneho fa ny ohatra ratsy nasehon’ny fitondrana ankehitriny tamin’ny tetezamita no mampanahy ny Malagasy satria ireo olona nitondra amin’izao no manana traikefa fanakorontanana hahatongavana amin’ny tetezamita, 6 volana no nifanarahana saingy nentiny 5 taona, ka potika ny firenena. Naneho ihany koa Rtoa Yannick Ratsiraka Sekretera nasionalin’ny Arema, fa tsy teny ratsy ny tetezamita, nisy tetezamita tamin’ny 2018 kanefa naharesy tamin’ny depiote 75 ny fitondrana fa ny an’ny depiote 73 no naraina, nanaiky ny Filoha tamin’izany. Nisy tamin’ny 1973, nisy tamin’ny 1991, nisy tamin’ny 2002, nisy tamin’ny 2009. Betsaka ny tsy fifampatokisana, ny CENI toa takona ny “I” na fahaleovantena, ny HCC mbola betsaka ny adihevitra,… Efa nisy fotoana moa naneho Atoa Paraina Auguste izay isan’ny efa nilaza fa ho kandida, fa «tsy ny fanoherana no mangataka an’izany tetezamita izany, fa ny Filoha mihitsy no mangataka 2 taona tamin’ny SADC tonga teto fa hoe : mbola tsy vonona ». Ho tonga amin’izany sa inona no sary politika hafa mety hiseho ?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra