firenena hametraka ny mangarahara sy hanaja ny lalàna mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM. Ny naoty laharana faha 1014/22/CENI izay noraisin’ny filohan’ny CENI dia mandika andininy maro amin’ny lalàna faha 2018-008 mikasika ny fifidianana, hoy ity antoko ity. Ity naoty noraisin’ny CENI ity dia manova andininy maro ao anatin’io lalàna io izay mahakasika ny fandraisana ireo mpikambana ao amin’ny CLRE sy ny fizotry ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana amin’ny ankapobeny. Io naoty io anefa no nampiasaina tamin’ny fandraisana ny anaran’ny mpifidy nanomboka ny 1 oktobra 2022. Noho ireo tranga tsy fanarahan-dalàna maro ireo dia nametraka fitoriana teny amin’ny filankevim-panjakana na «conseil d’Etat» ny MMM ny 30 septambra 2022 mba hanafoana io naoty io. Nomena fotoana ny CENI hamaly io fitoriana io mialohan’ny fotoam-pitsarana izay tokony natao ny 23 may 2023 teo. Ny febroary 2023 dia nanao fampahatsiahivana na «mise en demeure» ny CENI koa ny filankevim-panjakana. Tsy namaly io fitoriana io anefa ny CENI no sady tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana ihany koa. Araka ny andininy faha 141 amin’ny lalàna laharana faha 2004-036 mikasika ny fomba fiasan’ny fitsarana tampony anefa, rehefa tsy voavalin’ny notoriana io «mise en demeure» io dia naman’ny efa manaiky ireo antony nitoriana azy izy ireo. Araka izany dia tokony namoaka didy mikasika izany ny fitsarana mahefa dia ny filankevim-panjakana. Nanapa-kevitra fotsiny nefa ny filankevim-panjakana fa ahemotra amin’ny fotoana tsy voafaritra ny fotoam-pitsarana. Manameloka ny fizirizirian’ny CENI amin’ny fomba fiasa tsy mangarahara sy tsy misokatra ny MMM ary miantso azy ireo hiverina amin’ny fanarahan-dalàna. Mampahatsiahy ihany koa ny MMM fa tokony hitovy ny fandraisana ny olon-drehetra manoloana ny lalàna sy fitsarana, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra