Fivoriana mikaton-trano no endrika nisehoany tetsy amin’ny FES Ankadifotsy omaly, ka tanjona ao anatin’io ny hametraka fitsipi-pitondran-tena ara-politika hiatrehana ny fifidianana na “Charte de bonne conduite”. Misy andininy 9 eo ireo fitsipika tiana hapetraka, ka hifampidinihana hatramin’ny 16 jona, raha toa ka ny 20 jona no voalaza fa hanasoniavina azy, izay ialohavana fampahafantarana amin’ireo andrim-panjakana, firaisamonim-pirenena, antoko politika. Mivoitra ao anatiny amin’ny ankapobeny ny hifanarahana ny fifanekena ny fankatoavana ny zotram-pifidianana anatin’ny fenitra demokratika, fanajana ny zotram-pifidianana ka tsy hanaovana fanelingelenana, fifanekena ny hanentanana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, fanajana ny fitovian’ny kandida toy ny fahafahana miakatra amin’ny haino aman-jery sy midina eny amin’ny toerana iraisana, fametrahana fepetra iraisana eny amin’ny toerana iombonana, fanajana ny fihavanana, fanekena ny tsy fampiasana ho fitaovana ny fivavahana toy ny fakana andinin-tsoratra masina ho teny fanevan’ny kadida, tsy azo atao ny herisetra amin’ny endriny rehetra,… Voalazan’ny mpandray anjara toy ny avy amin’ny HVM, fa etika sy fitsipi-pitondran-tena no tanjona. Tsy mifandray amin’ny fanintsiana ny lalàm-pifidianana izay politika kokoa, na ny resaka tetezamita. Ho an’ny eo anivon’ny Fanjakana kosa, “fifidianana no tokony hirosoana, tsy misy antony tokony hanaovana fifanarahana politika”, hoy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Ny fitondrana izay mivoy hatrany fa efa misy ny lalàna mifehy ny fifidianana izay tsy izy ireo no nametraka izany ka io no tokony hajaina. Ao anatin’ny taratasy fampahafantarana ity dinika ity, dia voalaza fa mpiara-miombon’antoka ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Nanaitra anefa ny nahita ny fanehoan-kevitra (commentaire) teny amin’ny tambajotran-tserasera nataon’ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa nilaza hoe: “Ny HCC Tompoko dia tsy nahazo fanasana amin’izany fivoriana “pour la bonne conduite” izany no tsy manan-kevitra hanatrika an’izany akory fa lainga afafy hampisavorovoroana saina ny filazana tao amin’ny TV hoe: “partenaire” ny HCC. Ataoko ity fanintsiana ity mba hahafantarantsika ny marina”. Misy ihany koa ny mpandinika milaza toa an’Atoa Constant Raveloson fa fifanarahana foromporonina hoenti-mamandrika ny mpanao politika hanaiky voka-pifidianana io saingy afaka iray volana aorian’ny fahalanian’izay ho mpitondra lany amin’io, dia ireo antoko ihany no hijoro hitaky fanintsiana lalàm-pifidianana,… Raha mampahatsiahy kely fotsiny, dia betsaka izay lalàna na fifanarahana nosoniavina izay, fa misy hatrany ny mitsivalam-pandry raha tsy hilaza afatsy ny tondrozotra na “feuille de route” tamin’ny tetezamita… Samy manana ny ambarany, izay endrika maneho hatrany fa mihasarotra ny raharaham-pirenena, ka dia ho hita eo ny fizotrany.
(Sary fanehoana)
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra