Rehefa mazava ny voafaritry ny lalàna, rehefa tsy mety hoy ny lalàna, indrindra hoy ny lalàmpanorenana dia tokony tsy ho vitavita tsotra fotsiny, hoy izy. Tsy tokony hatsatsoana amin'ny hoe "lany bala ny mpanohitra e!", "dia raha frantsay dia maninona e!", "fiainany manokana izany e!". Tadidio fa halatra akoho aza mampigadra satria voarara ny mangalatra. Mankalaza ny faha 63 taonan’ny fahaleovantena isika ka mety ve raha mbola frantsay no filoham-pirenena ankehitriny? Ilay tombotsoa ambonin'ny firenena mihitsy no tandidonin-doza raha tsy efa anaty voina tanteraka, hoy hatrany ny tenany.
SARY 1 : Miary Rasolofoarijaona
Madagasikara ho an’ny Malagasy, hoy kosa ny mpanao politika sady praiminisitra lefitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Ho an’ny malagasy tena tia ny tanindrazana malala sady masina ity, hoy izy. Io no porofo mitohoka amin'ny tenda fa frantsay ingahy Andry Rajoelina. Natao “Naturalisation “ izy mianakavy ny 19 novambra 2014 ary nivoaka tamin’ny «Journal Officiel» frantsay ny 21 novambra 2014. Raha ny lalàna eto Madagasikara dia tsy tokony ho azo ho fidiana ho filohan'ny malagasy mihitsy izany ingahy Andry Rajoelina ary tsy tokony ho filohan’ity tanindrazana malagasy ity. Ambon’izany, noho ny maha frantsay azy, dia nanao fianianana tamin'ny nahazoany ny taratasy izany ka nianiana hiaro ny tombotsoan'ny frantsay amin'ny heriny rehetra izany. Izany ny fianianana tsy maintsy nataony teo anatrehan’ny mpahailalàna frantsay. Mijoroa ry Malagasy mpiray tanindrazana. Aza mety badoina amin’ny lainga tsara lahatra. Ampy izay ny fampiesonana nandritra ny taona maro. Miantso ireo rehetra mpampiatra ny lalàna velona eto amin’ity tanindrazana iombonana ity mba hampihatra marina ny lalàna mifanandrify amin’izao zava-doza izao. Masina ny tanindrazana ary tsy amidy, hoy hatrany ny tenany!
SARY 2 : Zaza Ramandimbiarison
J. Mirija
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra