hoy ireo mpiantsehatra ara-politika sy ny teo anivon’ny Transparency International ny 3 mey teo tetsy Antaninarenina, manoloana ny fanaovan-gazety eto amintsika, hoy ny antoko politika Malagasy miara-miainga. Iankinan’ny fahalavorarian’ny fanatontosana ny fifidianana ny fanaovan-gazety saingy tsy malalaka amin’ny fahazoana loharanom-baovao avy eo anivon’ny CENI ny mpanao gazety ary tsy mbola tafapetraka mandraka androany ihany koa ny ANRCM, hoy ny fanazavana. Anatin'ny fikarakarana ny fifidianana tanteraka isika izao, ny fijerinay hatramin'ny voalohany dia tsy miova, mila hajaina fotsiny ny lalàna rehetra, ary manan-danja manokana amin'izany ny lalàna mifehy ny fanaovan-gazety. Apetraho ny "Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée" na ANRCM fa antoka lehibe io hikarakarana fifidianana madio sy hiarovana ny zon'ny kandida tsirairay avy. Tsy ho an'ny MMM irery no hiadiana ho an'izany fa ho an'ireo rehetra manam-paniriana hitondra ny anjara biriky politikany rahampitso. Izay no votoatin'ny hevitra nentiko nandritra ny resadresaka niarahana tamin'ny Transparency International Initiative Madagascar ho fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, hoy hatrany ny filohan’ny MMM, Hajo Andrianainarivelo.
J. Mirija
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra