fikirakirana ny lisim-pifidianana ny antoko politika Malagasy Miara Miainga na MMM. Fakan-kevitra izay ahafahan’ny antoko mizara ny fanamarihana hita ao anatin’izay fanomanana ny fifidianana izay, hoy ny fampitam-baovaon’ity antoko ity omaly. Tahaka ny fikirakirana ny lisim-pifidianana izay nahitan’ny antoko MMM tsy fanarahan-dalàna maro ary efa nitondrana fanazavana teo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI saingy tsapa fa tsy noraisiny, hoy ny fanazavan’ny filohan’ity antoko ity, Hajo Andrianainarivelo. Isan’ny nibaha-toerana tamin’ny famelabelarana niarahan’ny MMM tamin’ny SADC ny mahakasika ny tsy fanarahan-dalàna samihafa izay miseho eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana. Eo ihany koa ny tokony hisian’ny fifampiresahana mialohan’ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny maha andraikitry ny tsirairay ny fifidianana sy hijerena ny tombotsoan’ny firenena. Teboka maro no ho sintomin’ny SADC ao anatin’izao fakan-kevitr’ireo mpisehatra sy antoko politika mahakasika ny fifidianana izao, izay hijerena manokana raha afaka hiatrehana ny fifidianana ny zava-misy ara-politika sy ny filaminana eto amin’ny firenena araka ny efa fanaon’ny SADC amin’ireo firenena mpikambana ao aminy mialohan’ny fifidianana. Nanomboka omaly ary haharitra hatramin’ny voalohan’ny volana aogositra ny fakan-kevitra hataon’ny SADC, hifampiresaka sy hifampizara ny zava-misy ny fahitan’ireo mpiesahatra rehetra ny fanomanana ny fifidianana. Ho voaantso amin’izany avokoa noho izany ireo mpisehatra rehetra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Tokony atao foana ny fifampiresahana, hoy ihany ny filohan’ny MMM, satria andraikitry ny tsirairay ny fifidianana. Ny tsy mety, hoy izy, dia ny hoe rehefa vita ny zavatra tsy mety vao hifampiresaka !
J. Mirija
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra