farany teo, hoy ny filoha lefitry ny antoko teo aloha, Hary Razafindrazaka. Fantantsika, hoy izy, fa efa nanapa-kevitra ny antoko ny hiverina hikambana taorian’ny disadisa nisian’ny hoe elatra Jean Max Rakotomamonjy sy Pr Rabesa Zafera Antoine. Nisy ny marimaritra niraisana, noho izany, dia ny fiaraha-mitantana. Antony ihany koa io nanekeko ny tsy ho isan’ny birao na dia efa notononina ho isan’izany aza. Nomena fitenenana ihany moa ny tena ary nilaza hoe inoako fa tsy niova ny fotokevitry ny antoko ary ny angatahako dia mba tsy ho moana intsony ny antoko manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Isan’izany, ohatra, ny nambaran’ireo mpiara-miombon’antoka mikasika ny vola nampiasaina tamin’ny COVID hoe nankaiza daholo? Miandry ry zareo fa toa mbola tsy misy valiny? Misy olana ny dikan’izany ny resaka fanjakana tsara tantana. Iaraha-mahita io ny tsy fisiam-bolam-panjakana. Tara foana ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ny mpampianatra, zavatra maro no tokony natao nefa tsy natao. Ny vola hanaovana werawera anefa tsy mijanona. Tsy misy fandrosoana eto Madagasikara raha tsy misy fitsinjaram-pahefana. Hatramin’izay ny Leader Fanilo no efa resy lahatra tamin’izany. Izany tetikasan’ny filoham-pirenena izany tsy fitsinjaram-pahefana fa fanagiazam-pahefana. Mino aho fa mbola misy ny etika politika izay tsy dia tena narahanay loatra tao amin’ny antoko. Aoka hazava! Ezahana iverenana kosa izany izao. Ny mahatonga ny tena tsy hanangana Leader Fanilo vaovao dia noho ny etika politika. Iarahantsika malala fa tsy misy intsony eto ny etika politika. Leader fanilo taloha ny ankamaroan’ireo depiote Mapar ireo dia mivadibadika eo ny sasany lasa HVM dia TIM dia toy izany daholo. Mila tsaboina izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra