mantsy ny alahady alina teo izay nisian’ny fandaharana manokana niaraka tamin’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina. Isika anisan'ny mivoy ny hoe "Malagasy mihavana amin’ny tantarany", hoy izy. Niresaka momba an'i Ralaimongo moa ny mpiresaka iny alina iny fa ny tiany hatambatra dia ny hoe zom-pirenena frantsay sy fitiavan-tanindrazana. Mitohoka sa tsy mitohoka? Mampitaha ny tsy azo ampitahaina. Ralaimongo dia nobaboin'ny jiolahy ka namidy ho andevo. Ny fahatongavan'ny mpanjanaka dia tombony ho azy satria nandrava ny fanandevozana ka inona no mampitovy anareo amin’izany? Eny, franco-malagasy izy satria nanomboka tamin’ny 1896 dia lasa frantsay daholo ny gasy velona satria voazanaka isika. Ny tolom-panafahana dia tsy azo ampitahaina amin’ny vanim-potoana ankehitriny izay lazaina fa fahaleovantena. Ny olona niala tamin’ny maha frantsay hiverina amin’ny fahaleovantena kanefa ianareo miverina mankany. Hany ka lasa teraka ny fomba fiteny hoe "bolokim-bazaha mamorika ny malagasy ka manome vahana ny vahiny no mahazo fahefana". Noho izany, tsy tohana ara-kevitra momba ny fizakana zom-pirenena vahiny “nangatahana” ny fanaovana ohatra ireo mahery fo ary ny asa maha filohan'ny repoblika dia tsy mifanaraka na “compatibles” amin’ny maha vazaha. Resaka MDRM, tsara ihany ny miverina mamaky ny tantara sao manoro vilana. “Le Mouvement démocratique de la rénovation malgache ou MDRM est un parti politique malgache fondé le 22 février 1946 et dissout le 10 mai 1947.”, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra