Navoitrany tao anatin’io, fa potika tanteraka ny firenena noho ny tsy fahaiza-mitantana, ka mangetaheta fanarenana sy fisandratana ny vahoaka Malagasy, raha ny antso reny tamin’ireo distrika notsidihany. Namaky bantsilana ny hetraketraka ara-politika ataon’ny fitondrana ankehitriny ihany koa io Filoha teo aloha io, ka nilazany mahitsy fa manameloka amin’ny heriny rehetra ny fandikan-dalàna sy fanaparam-pahefana atao amin’ireo antoko sy mpanao politika ivelan’ny Fitondrana, izay nambarany fa fandikana ny lalàmpanorenana sy ny zo fototra, ny zon’olombelona, ny fifanarahana iraisam-pirenena. “Mitady ny fomba rehetra hanapenam-bava sy hampihorohoroana anay mpanao politika ivelan’ny fitondrana ny mpitondra fanjakana. Niharihary izany tamin’ny fanetsehana ireo mpitandro ny filaminana marobe, izay nokendrena hanakantsakana sy hampihemotra anay tsy hitafa mivantana amin’ny vahoaka”, hoy Atoa Hery Rajaonarimampianina. Isan’ny notsiahiviny ny tany Ampanefena Vohémar izay nilazany fa toerana nahazoana alalana, tsy any amin’ny làlam-pirenena intsony, làlana hidirana ny toerana hanaovana ny fihaonana no mandeha ny sakana izay tsy dia tena misy antony mazava,... Betsaka ny olona no tezitra, izahay tsy mieritreritra hitety na hanao zavatra eny ankalamanjana, hoy ny fanazavany. “Mampametra-panontaniana amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna satria heverina fa tena fototry ny demokrasia, fototry ny fitoniana ny fahalalahana, ary ny fanajana izany, dia tokony hiteraka fitoniana eo amin’ny firenena iray manontolo”. Ny teny amin’ny làlam-pirenena, tahaka an’I Sambava, Vohémar, Daraina, Ambilobe,… dia alaina sary sy horonan-tsary isaky ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana. Mialohan’ny hidirana an’Ambilobe dia mahavariana, fa tahaka ny tany miady mihitsy, isaky ny 30 metatra dia milahatra ny zandary maka sary sy horonantsary, hoy I Hery Rajaonarimampianina. ‘’Ny manahirana ao anatin’ilay izy anefa, tsy mitovy ny fepetra raisina sy hampiharina amin’ny samy mpanao politika eto amin’ny firenena ary mivilana sy mitanila ny fampiharana ny lalana. Ireny iarahantsika nahita ireny ohatra ny hetsika politika goavana nataon’ny mpomba ny fitondrana teny Atsimondrano, izay nitakian’izy ireo ny hilatsahan’Ing. Andry Rajoelina fanindroany indray amin’io fifidianana filoham-pirenena manaraka io. Tsy nisy mpitandro ny filaminana nanakantsakana mihitsy izany fa afaka notanterahana tamin’ny fomba manetriketrika tsara”, hoy hatrany io Filoha teo aloha io. “Miantso ny mpanao politika sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tenako mba tsy hitazam-potsiny izany fa hiray feo tsy hanaiky ka hanameloka izany fihetsiky ny mpitondra izany satria tsy azo leferina intsony izany”, hoy hatrany ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.
Tsy mbola nilaza ny haha candida azy na tsia Atoa Hery Rajaonarimampianina. Momba ny mety hisiana famondronan-kery, dia nambarany, fa ny zava-misy dia mitondra makany na tsy mankany amin’ny fiarahana, fa izaho mino fa ny rehetra dia manana izany hevitra izany ao an-dohany. Efa tonga eto aho, kanefa mbola misy milaza fa tsy hanao, matahotra, tsy sahy,… Rajaonarimampianina tsy matahotra ny hifaninana, sahy hifaninana, ary vonona hifaninana, fa misy fotoana ny zava-drehetra, hoy io Filoha teo aloha io.
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra