airtel

Politique

16-juin-2023

Politique

Hotsaraina anio i Doris sy Nambinina Havotsotra sa hampirimina any am-ponja ?

Sample post image

Anio zoma 16 jona no fotoana voatondro fa hiakaran-dRtoa Doris Rakoto Samuel sy Atoa Nambinina Raherimampianina fitsarana,

16-juin-2023

 taorian’ny raharaha fitarihana olona nidina an-dalambe teny amin’ny Kianjan’ny 13 may Analakely ny 31 may lasa teo. Raha hiverenana dia nosamborina ny androtr’io i Nambinina Raherimampianina ary nogadraina, ka fitarihana olona hidina an-dalambe sy faniratsiratsirana miampy fanompana ny mpitandro filaminana no voalaza fa antony. Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny trano fonenany teny Andoharanofotsy ihany koa Rtoa Doris Rakoto Samuel omaly alatsinainy 05 jona 2023 maraina, saingy navotsotra sy napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana taorian’ny fanadihadiana. Fanohintohinana ny mpitandro ny filaminana (Outrage aux forces de l’ordre), « Attroupement sans armes », ary fihetsiketsehana no hanenjehana azy. Amin’ny 16 jona kosa, raha ny fantatra, no hiakatra fitsarana rtoa Doris Rakoto Samuel. Ho afa-bela ve izy ireo sa hotataovana sazy mihantona na koa halentika any am-ponja tahaka ny mahazo an-dry Berija Ravelomanantsoa, Beharinirina Marcellin,…? Somary mampiady hevitra ny vesatra manoloana ny tranga politika niseho tany Morondava ny faran’ny herinandro teo, na koa ny hafa teo alohan’izay, toy ny tany Analavory. Tsy fiarovana an’ireto olona miandahy henjehin’ny fitondrana ireto fa raha mijery ny zava-nitranga tamin’ny hetsika nataon’ny Mihava Tour tarihin’Atoa Siteny Randrianasoloniaiko tany Morondava ny faran’ny herinandro teo dia niaraha-nahita ny karazana herisetra mihitsy nahazo ny zandary ka nisy mihitsy ireo nitsikasina tamin’ny tany. Nampiaka-peo ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) hoe : aza mikasi-tànana. Mitovitovy amin’izany ny tany Analavory nanakana an’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany, izay nisiana fandravana barazy, narahin’ny kabary niantefa mivantana tamin’ny SEG hoe : sambory aho raha izay no tianao »,… Raha mampitaha, ilay tetsy Analakely ve no tena zava-doza sy atahorana ary azo raisina ho misy faniratsirana ny mpitandro filaminana sa ireo roa hafa notanisaina teo? Izay tsy atahorana ihany no samborina sy ampirimina any am-ponja fa izay atahorana hodiana adala ? Raha ilay resaka fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana indray, taiza hatramin’izay no nisy Fanjakana nanome alalana olona handeha hitsikera sy hanakiana azy eny amin’ny 13 may ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap