airtel

Politique

12-mai-2023

Politique

Ignace Randriamamizafy “Ny antokon’ny fitondrana no tena afaka mangala-bato”

Sample post image

Ny antoko eo amin ny fitondrana ihany no afaka mangala-bato na farafaharatsiny raha governemanta iombonana na tetezamita dia izay manana ny Praiminisitra,

12-mai-2023

minisiteran’ny atitany, ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy fitsinjaram-pahefana ny minisiteran’ny vola, ary ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, raha ny fanehoan-kevitr’I Dr Ignace Randriamamizafy, izay sady mpamakafaka politika no mpampianatra mpikaroka. Aminy, maro no endrika mety isehoan’ny hala-bato, ka anisany ny fanaovana propagany mialoha amin’ny alalan ny “précampagne” ka mampiasa fitaovam-panjakana sy fahefam-panjakana amin’ny alalan’ny fitokanana fotodrafitrasa, mizarazara karatany, mizara fifarahana arak’asa na “contrat de travail”, vary sy ny maro hafa, ka mamory vahoaka araka ny fahefam-panjakana ary ny fitaovam-panjakana sy fahefam-panjakana no entina manao izany. Faharoa, ny fampiasana ny olom-panjakana amin’ireo minisitera ireo (Lehiben’ny distrika, Préfet, ben’n tanàna, sefom-pokontany, mpampianatra,…). Fahatelo ny lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny fampihenana na fampitomboana tsy araka ny ho izy ny olona voasoratra ao, hoy hatrany izy. Fahaefatra ny biraom-pifidianana, mety mitombo nefa tsy tena misy ny toerana. Fahadily ny kara-pifidianana, mety mitombo tsy araka ny isan’ny voasoratra ao anaty lisipifidianana misy mpifidy manana karapifidiana maromaro voasoratra amin’ny biraom-pifidianana maromaro ka ahafahany mifidy amin’ireny Birao fandahantsaham-bato ireny. Mety hho fomba fiady ihany koa ny fisiana bileta efa voamarika mialoha na koa ilay antsoina hoe: “bourrage d’urnes”. Fomba fiady ihany koa ny fividianana sy fanambazam-bola ny delegen’ny kandida hafa, ny fanovana ny vokam-pifidianana amin’ny alalan ny fanovana fitanana an-tsoratra na PV eo anivon ny Birao fandatsaam-bato avy eo an-toerana satria novidina ny delegen’ny kandida hafa na tsy manana delege anivon’ny OVEC sy ny distristrika izay mpanangona sy mpanamarina ny vokam-pifidianana eo amin ny distrika tsirairay, izay olom-panjakana no voatendry ao ary ny Lehiben’ny distrika dia mpikambana ao. Midika olon’ny anotokom-pitondrana na voabaikon’ny antokon’ny fitondrana no mpikamban’ny OVEC eo amin ny distrika, raha ny fanehoan-keviny. Fomba fiady afa ny fanovana “PV” eo anivon’ny Vaomieram-pifidianana, izay mamoaka vokatra tsy ofisialy ka izay birao fandatsaham-bato ahazoan’ny kandida tohanany na itongilanany foana no avoakany. hany ka tsy mety mitovy mihitsy ny vokatra avoakan’ny CENI sy ny kandida tsirairay, hoy ny fanehoan-kevitr’I Dr Ignace Randriamamizafy. Manaraka izay ny famonoan ny HCC vokatra na ampaham-bokatra amin’ny birao fandatsaam-bato maromaro ho amin’ny tombotsoan’ny kandida tohanany. Ireo no mila arahina maso akaiky indrindra amin’izao akaiky fifidianana izao, hoy hatrany izy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap