airtel

Politique

20-juil-2023

Politique

Jean Louis Rakotoamboa “Niarovan-tena tamin’ny trafika ilay zom-pirenena…”

Sample post image

Tsy mitombona ny fiarovan-tenan’ny Filoha Rajoelina momba ny nakany zom-pirenena Frantsay, izay nilaza fa noho ny fianaran-janany,

20-juil-2023

hoy Atoa Jean Louis Rakotoamboa, Mpikambana eo anivon’ny RMDM. fa ny tena marina dia matahotra izy tamin’ireny zavatra nataony tamin’ny tetezamita ireny. Fomban’ny olon-drehetra izay manana zanaka mianatra any ivelany ny mangataka “Visa de long séjour” , maninona no tsy nety taminy izany, ary maninona no tsy ny zanany irery fa izy ihany koa nijoboka nanao izany nefa mbola andeha hilatsaka hofidiana Filoham-pirenena eto Madagasikara? Fantany tsara ny lalàna eto, ny lalàmpanorenana dia mazava fa tsy mahazo mirotsaka hofidiana izay tsy manana zom-pirenena Malagasy, ary ny lalàna momba ny zom-pirenena dia milaza fa raha maka zom-pirenena vahiny amin’ny nahim-po ao anatin’ny maha efa feno taona dia very ho azy ny zom-pirenena. Tsy nosoratsoratam-poana ireny andininy faha-42 amin’ny lalàna momba ny zom-pirenena ireny, hoy izy. Nambarany, fa fiarovan-tena noho ny afera maloto tamin’ny tetezamita no mety ho antony. Tamin’ny fitondran’ingahy Ravalomanana tsy nisy izany trafikana boaderozy izany, ary tahaka izany ihany koa tamin’ny Fitondrana Rajaonarimampianina, fa tamin’ny fitondran-dRajoelina ny tetezamita izay nanana fahefana tahaka ny emperora, dia nibanaka ny boaderozy, hoy Atoa Rakotoamboa Jean Louis. Nambarany fa tsy nisaina ny fivoahany teto, fa rehefa niditra tamin’ny seranana iraisam-pirenena dia tsy maintsy isain’ny olona hoe: izao isa ny boaderozy avy any Madagasikara. “Tamin’Atoa Hery Rajaonarimampianina tamin’izy minisitry ny fitantanam-bola tamin’ireny, dia nilaza tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ary ny tenako anisan’ny nanao “interpellation” azy tamin’ny 500 tapitrisa dolara vidin’ny boaderozintsika lasa any ivelany, ary azonareo anontaniana ny Banky Iraisam-pirenena”, hoy Atoa Jean Louis Rakotoamboa. Ny fitondran’ingahy Andry Rajoelina nilaza fa miady amin’ny trafika kanefa na izy tao ambadika na izy tsy niady fa niray tsikombakomba, ka diso ny filazana fa niady tamin’ny trafika izy fa nanamora aza, hoy hatrany Atoa Jean Louis Rakotoamboa. Azo jerena ny tranonkalan’ireo ONG Amerikanina dia ny Global witness sy ny Environnemental Investigation Agency izay nilaza fa ny Fanjakana Malagasy no nampanao ny trafika, fa tsy izahay no mamorona, hoy Atoa Jean Louis Rakotoamboa nanamafy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap