airtel

Politique

24-avril-2023

Politique

Jerosalema Nihaona tamin’ny Praiminisitra Israeliana i Siteny R

Sample post image

Nihaona tamin’ny praiminisitra Israeliana Benjamin Netanyahu sy ny minisitry ny fitaterana Miri Miriam Regev tany Jerosalema ny faran’ny herinandro teo i Siteny Randrianasoloniaiko

24-avril-2023

Fotoana nahafahana nifanakalozana hevitra sy niresaka momba an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy, ary nahatsapana, hoy i Siteny R fa namana ary eo anilan’i Madagasikara hatrany ny praiminisitra Netnanyahu . Anisan’ny votoatin-dresakay, hoy ny mpitarika ny « Mihava Tour » ny momba ny ho avin’i Madagasikara, ny fanampiana eo amin’ny resaka fananganana fotodrafitr’asa satria dia anisan’ny henjana sy tena manana traikefa amin’izany ny Israeliana.Manome tsirim-panantenana goavana ho ahy ny amin’ny ho avy ity fihaonana teto Jerosalema ity hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Hita ho manamafy ny toerany eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena i Siteny R, izay filohan’ny Africa Judo Union no sady filoha lefitry ny federasionina iraisam-pirenen’ny Judo. Anisan’ireo mpanao politika efa tsy vahiny intsony eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena izy ary heverina fa mahalala tsara hoe iza sy iza no mpiara-miombon’antoka hiaraha-miasa amin’ny sehatra izao sy izatsy. Inoana fa tsy resaka tampotampoka ihany koa ny fihaonana avo lenta tahaka izao fa misy dikany manokana, Israely izay firenena tena manana maha izy azy eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiainana ary ny tantaran’izao tontolo izao mihitsy . Raha eo amin’ny politika dia misongadina izany aloha i Rahozatse, ary voany tamin’ny kely foana ny filoha Rajoelina, izay tany Jerosalema ihany saingy tsy tafahaona tamin’ny praiminisitra Israeliana. Marina fa hoe nihaona tamin’ny filoha Israeliana izy, saingy ny praiminisitra sy ny governemanta ary ny parlemanta no tena mitondra ny baolina any amin’ity firenena ity fa mipetraka ho ray amandreny fotsiny ihany ny Filoha. Tsara ho marihana fa ny desambra 2022 dia efa nihaona tamin’ny Ehud Olmert, praiminisitra Israeliana teo aloha ary en’ny tanànan’i Jerosalema ihany koa i Siteny Randrianasoloniaiko.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap