airtel

Politique

11-mai-2023

Politique

Kaominina Antsirabe Manjaka ny fitantanana gaboraraka…

Sample post image

Potika sy mihemotra, ary anjakan’ny gaboraraka tanteraka ny tananan’Antsirabe renivohitra amin’izao fotoana izao noho ny tsy fahaiza-mitantana, araka ny fanamarihan’ny mponina.

11-mai-2023

Ny loto sy ny fako miparitaka, ny làlana potika no misongadina. Tsy araka ilay fampanantenana hoe: “Antsirabe tananantsika, tsy maintsy mandroso”, fa fitadiavana tombontsoa manokana no hita taratra amin’ny fitantanana fa ny lafiny fampandrosoana tsy misy, hoy ny tsikera mivaivay. Raha ny tsilian-tsofina tamin’ireo mpanolon-tsain’ny tanàna avy amin’ny IRD dia toa samy manao izay danin’ny kibony amin’ny fandraisana fanampahan-kevitra ny mpanatanteraka ka isan’ny voatsikera ny Sekretera jeneralin’ny kaominina ankehitriny izay efa Talen’ny Kabinetra tao ihany, hoy hatrany ny fanamarihana. Voalaza fa nisy toerana iray ao amin’ny Arcade, izay fananan’ny kaominina no nomena ampiasain’ny Kaoperativam-pitaterana iray miasa ao Antsirabe ao, kanefa tsy nandalo fanampahan’ny mpanolontsain’ny tanàna ny fampanofana na fanomezana ny fananan’ny kaominina ampiasan’ny olona hafa. Mandeha ny fanairana ny tompon’andraikim-panjakana isan’ambaratongany satria fandikan-dalana tsotra izao izany. Noravana mantsy ny tambohon’’ity toerany iry nananganan’izy ireo fotodrafitrasa fivarotana tapakila hoan’io kaoperativa io, hoy ny fampitam-baovao. Ankoatra io, efa maro ny resaka tsy manjary re momba ny fitantanana ny tananan’Antsirabe, ary saika voatonontonona amin’izany ireo manodidina ny Ben’ny Tanana ary tsikaritra fa toa tsy voafehiny ireo tompon’andraikitra manodidina azy ireo raha ny loharanom-baovao ihany. Re fa mangataka fivoriana amin’ny mpanolontsain’ny Tanana ny mpanantanteraka ary isan’ny laha-dinika ihany koa ny fangatahana alalana amin’ny mba ahafahana mivarotra ny fananan’ny kaominina izay tokony tsy ho azo amidy satria nisy ny didy nandrara izany teo aloha. Re siosio fa isan’ny kitihin’ny orinasa mpamokatra zava-pisotro ao Antsirabe ao ny toerana iray eo Andranomafana ao ary mety hitombina ny fangatahan’ny mpitantana izay fangatahana hivarotra ny tanin’ny kaominina izay, hoy ny ahiahy avy any an-toerana. Voalaza fa naaton’ny orinasa iray ihany koa ny fiaraha-miasa fanamboaran-dàlana ao Antsirabe noho ny olana ara-angovo sy vokatra amin’io orinasa io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap