zay ahitana ny distrikan'i Maroantsetra sy Mananara Avaratra ary antsoina hoe Ambatosoa. Natsidiky ny loholon’i Madagasikara voafidy tamin’ny alalan’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM nandritra izany ihany koa ny handrosoan’izy ireo volavolan-dalàna amin’ny fampisarahana faritra miisa 3 hafa. Ankilany, nandritra ny fivoriambe azon’ny rehetra natrehina omaly no natsidiky ny loholona voafidy tao amin’ny faritanin’Antananarivo tamin’ny anaran’ny MMM hatrany ny sosokevitra fikasan’izy ireo hanolotra volavolan-dalàna amin’ny fanasarahana faritra hafa toy ny faritra Alaotra Mangoro. Isan’ireo faritra tokony ho zaraina ny Atsimo Andrefana, hoy ny fanazavan’ny loholona Rakotondrainibe Michel. Voakasik’izany sosokevitra izany koa ny faritra Analamanga. Amin’ny fivoriana ara-potoana faharoa no hametrahana ny volavolan-dalàna sy handaniana izany. Tanjona napetraka amin’izao fizarana ny faritra naroson’ny Loholona izao ny hametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana marina sy tena izy ary koa hahafahana mampivoatra araka ny tokony ho izy ireo faritra rehetra eto Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana. Raha ny tarehimarika tamin’ny taona 2018, hoy ihany ny loholona Rakotondrainibe Michel, ny faritra Alaotra Mangoro dia 1.240.000 no isan’ny mponina ao. Distrika miisa 5 dia Ambatondrazaka, Amparafaravola, Andilamena, Anosibe an’ala, Moramanga no ao, hoy izy. Fantatsika tsara ny herin’izany faritra izany amin’ny lafiny famokarana, indrindra, ny vary. Tsy mivoatra firy noho ny antony samihafa nefa io famokarana vary io. Tsy maharaka ny fitombon’ny mponina intsony. 740.000 taonina teo no vary nafarantsika ny taona 2022. Niakatra be izany raha mitaha amin’ny 2021. Faritra stratejika eto Madagasikara izany io. Sosokevitray, noho izany, ny hizarana izany faritra izany ho roa samihafa dia Alaotra sy Mangoro mba hampiroborobo aingana ny fihariana ara-pambolena sy fiompiana amin’ireo faritra ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra