Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena tahaka ny raharaha bakalorea sy ny fifidianana ny Vondron’ny manam-pahaizana sy mpampianatry ny oniversite anatin’ny GNEPUD (Groupement National des Experts et des Professeurs des Universités pour le Développement) tarihin’ny Pr Andriamalala Mamy Freddy ny sabotsy 22 jolay teo. Misy mpikambana hatrany amin’ny 250 moa io, ary tsy miandany ara-politika satria maro ireo mpikambana izay samy manana ny firehany, raha ny fanamarihana. Naneho fa tsy mitazam-potsiny, fa mitondra fanazavana sy vahaolana amin’ny zava-mitranga. Tsy manaiky ny savorovoro tamin’ny bakalorea farany teo, tsy mijery hoe: iza no tompon’andraikitra, fa mijery vahaolana sy manazava amin’ny vahoaka. ”Tsy ekenay ny fitantanana tsy misy fahombiazana sy goragora. Amin’ny fitantanana rehetra io fa tsy resaka bakalorea ihany. Ahenao ny fivangongoam-pahefana aty ambony, tsinjarao ny fahefana, tokony hisy bakalorea isaky ny faritany satria any Frantsa ohatra, dia misy isaky departemanta ny bakalorea. Mila apetraka ny fitsinjaram-pahefana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana manontolo. Isan’ny fomba ahafahana mampandray andraikitra ny olom-boafidy any amin’ny faritra sy ny vahoaka rahateo ny fitsinjaram-pahefana, ary ahafahana mitsinjara ny fitaovam-panjakana mivangongo aty an-drenivohitra”, hoy I Pr Andriamalala Mamy Freddy. Ara-politika, efa voafaritra fa hisy fifidianana, ka manaja an’izay fanapahan-kevitra anatin’ny lalàna, manaja ny Fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna, fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika,... Tokony handeha amin’ny rariny sy hitsiny ny fifidianana, ary tsy ekena ny fifidianana mety hisy hosoka. Tokony havela hilatsaka izay mahafeno fepetra, fa tsy misy fanakanana an-dRakoto na Rabe. Momba ny Filoha ankehitriny, dia aleo ny vahoaka no hitsara azy amin’ny fifidianana, olom-pirenena Malagasy izy, ka lany izy na tsy ho lany dia izay no demokrasia eken’ny rehetra, hoy hatrany ny Pr Andriamalala Mamy Freddy. Manipika izy ireo, fa tokony hisy ny fitoniana, ary ilaina ny fifampiresahana eo amin’ny samy mpisehatra politika satria ny korontana nisy teto Madagasikara, dia niteraka fahantrana hatrany. Ny tamin’ny taona 1991 ohatra, dia nambaran’izy ireo fa niiba -6,3% ny fitomboan’ny harin-karena, niiba -12% ny 2002, niiba 0% 2009. Talohan’ny krizy 2001 dia 69,6% ny tahan’ny fahantrana, saingy tafakatra 80,7% ny taona 2002, olona 2 tapitrisa no lasa mahantra na “nouveau pauvre”. Ny taona 2008 tany amin’ny 63,4% ny tahan’ny olona mahantra, saingy tafakatra 76,5% nandritra ny krizy, ary nitombo 3 tapitrisa ireo mahantra vaovao satria maro no very asa,...
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra