airtel

Politique

02-juin-2023

Politique

Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»

Sample post image

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

02-juin-2023

Raharaha vao tapitra ny faran’ny volana ho an’ny mpiasam-panjakana ary ny vahoaka madinika moa dia mampametra-panontaniana mihitsy hoe fomba ahoana ary no maha velona an’ireo? Izay toerana alehanao andrenesana resaka kolikoly daholo. Iainana isan’andro ny tsy fandriampahalemana. Izay ny sosialy. Ny politika dia hitantsika ny teny amin’ny 13 may sy tany Analavory. Mafana ny raharaha politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana nefa manakaiky ihany ny fotoam-pifidianana. Manahy korontana izahay na aloha na mandritra izany fifidianana izany. Aleo alamina alohan’ny hidirana amin’ny fifidianana ny raharaha. Raha misy fifanarahana tsy maintsy atao ihany dia aleo atao mialohan’ny hihavian’ny korontana. Aleo tetezamita misoroka korontana toy izay hoe aorian’ny korontana. Matahotra mafy dia mafy mihitsy izahay izao ary tsy izahay irery fa be dia be koa ny olona miresaka aminay. Tsy hanaiky izay tsy lany amin’ireo kandida hita fa matanjatanjaka ireo. Izay lany koa tsy hanaiky ny fanoheran’ireo. Tsy maintsy hisy indray ny dikan’izay ny fifandonana sy aina afoy. Niainako ny 1972, 1991, 2002, 2009. Io vahoaka hitanao ohatrany matory amin’izao io rehefa taitra dia tena ho taitra tokoa. Tsy tana intsony! Mitady fotsiny io hoe iza no mpitarika azo itokisana na «crédible» hitarika an’ity zavatra ity? Miserasera amin’ny vahoaka aho dia maheno izany fanontaniana izany. Aleo sorohana izay zavatra izay fa ratsy. Pitik’afo tsy ampoizina dia mety ahatonga an’io. Mpianatra iray maty tany Ambalavao no nampirehitra an’ity Madagasikara ity tamin’ny 1972. Teo koa ny grevin’ny mpianatr’i Befelatanana. Tsy maintsy misy foana koa ny mpanararaotra raha vao misy toe-javatra toy izany. Sao ianareo miheritreritra fa faly io vahoaka malagasy io? Rehefa misy krizy tsy maintsy hifandamina ihany na tiana na tsy tiana ka aleo dieny izao izany fifanarahana izany dia atao. Tsy ho faly izay tsy ho lany eo satria ry zareo ihany no milaza fa tsy lasa mihitsy ity HCC ity na ity CENI ity. Tsy lasa mihitsy ny ataon’ny minisitry ny atitany. Ahoana ity mahazo ny vahoaka ity? Atahorana no dikan’izay ny fifandonana, hoy hatrany ny UNDD.
J. Mirija
Légende : Dr Manoro Regis
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap