Naneho ity Filoha teo aloha ity, fa mila atambatra ny hery eo anatrehan’ny fanarenam-pirenena tokony hatao ka tsy tokony hisaratsaraka isika, haneho fiombonana. “Entano daholo ireo antoko, vondron’olona, fikambanana samihafa, firaisamonim-pirenena,… mba hiaraka amintsika, ampahafantaro ny olana mahazo ny vahoaka fa leo ny vahoaka. Aoka hahay hiaraka sy hiara-hiasa amin’izy ireo fa tsy vitantsika TIM irery ny fanarenana sy famahana olona”, hoy I Marc Ravalomanana. “Tsy mihembotra intsony isika, na tsy misy jiro, na simba ny lalana, na feno sakatsakana. Hanangana Firenena vanona izay manana olom-pirenena voahaja ny zo aman-kasiny isika. Antsika i Madagasikara, manana adidy sy andraikitra aminy sy amin'ny taranaka any aorina isika izao”, hoy hatrany ity Filoha mpanorina ny TIM ity, izay naneho eo anatrehan’ny adihevitra politika samihafa fa fifidianana ihany, ary amin’ity 2023 ity. Nampahatsiahy fa tsy hanaiky lembenana amin’ny tsy fahamarinana. Nahitsy kosa ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro nilaza fa tsy ho zaka intsony raha mbola izao fitondrana izao no mbola hotohizana 5 taona. “Efa tena leo, efa tena mankaleo ny zava-misy amin’izao. Tsy misy zavatra mandeha amin’ny tokony ho izy intsony, ary tsy misy zavatra hain’izao fitondrana izao raha tsy ny mampiditra ao anaty haizina. Tsy fahaizana mitantana izao. Mbola ho ekentsika ve ny hitohizan’izany ao anatin’ny 5 taona? Misaotra an’Andriamanitra fa mbola velon’aina, 4 volana sisa raha ela indrindra. Tsy olona tonga hiandrandra tombola sy vary tsinjo ireto vahoaka maro be ireto fa mangetaheta fiovana. Efa ela no niomanana ho an’ny 2023, ary tsy ireto ihany fa ny vahoaka Malagasy”, hoy I Rina Randriamasinoro. Samy nanao hetsika avokoa tamin’ny ankampobeny nandritra iny faran’ny herinandro iny ireo mpitarika antoko lehibe na politisianina malaza fa mety ho kandida Filoham-pirenena. Somary maherihery vaika ny kabary ara-politika.
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra