airtel

Politique

19-juin-2023

Politique

Marc Ravalomanana « Tompon’andraikitra amin’io zava-misy io ny HCC teo aloha »

Sample post image

Hay ve ny mitondra an’ity Malagasy ity ka tsy Malagasy. Tsy fanao ny manafina ny marina, ary manana andraikitra lehibe amin’izany ilay nilaza hoe:

19-juin-2023

azo raisina fa tsy mitombina”, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sady namelively an’I Andry Rajoelina no namantsimpatsika ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) notarihin’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa. Nilaza noho izany io Filoha teo aloha io, fa tompon’andraikitra amin’izany ny HCC teo aloha. Naneho fa tokony ho menatra amin’izao zava-misy izao ireo, izay hentitra tamin’ny ambara fa fanarahana ny pitsopitsony momba ny dosie ahafahana miatrika ny fifidianana, kanefa izao no zava-misy ankehitriny. Raha izaho ianao menatra, tsy mba nanadihady ve izy. Izaho nihaona tamin’iny rangahy iny nilaza tamiko hoe: ataovy mazava ny dosienao. Efa tamin’ny 2014 ilay olona manana zom-pirenena Frantsay, maninona raha nampahafantarina,… Tsy mahalala ny fomba Malagasy, tsy mahalala ny soatoavina, tsy hainy izany, niezaka ihany fa tsy tafavoaka”, hoy I Marc Ravalomanana. Noraisiny ho tombony ara-politika ho azy ny zava-misy mikasika ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, izay mpifanandrina taminy niainga tany amin’ny 2007. Izaho dia zanaka Malagasy Ray sy Reny, mahalala ny manjo ny Malagasy, niainga tany amin’ny fiainan’ny Malagasy 90%, fa tsy tara ihany koa amin’ny teknolojia, isan’ny vato nasondrotry ny tany, mahalala ny ambanivohitra, mahay ny an-drenivohitra, mahavita miaraka amin’izao tontolo izao. Tena manana ny zom-pirenena, mahalala ny nihaviako, ny toerana niasako ianareo, ary anisany teto Antsirabe”, hoy I Marc Ravalomanana. Taorian’io resabe mikasika ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina izay vazaha an-taratasy io moa dia nisy ireo heverina fa ho kandida Filoham-pirenena sasantsasany nilaza fa tsy mizaka sy tsy nangataka zom-pirenena vahiny toa an-dry Andry Raobelina, Siteny Randrianasoloniaiko izay naneho fa ny vadiny izay teratany vahiny aza no nangataka ho Malagasy saingy mihitsoka any amin’ny Atitany,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap