airtel

Politique

17-août-2023

Politique

Marc Ravalomanana Tsy hanaiky ny hosoka amin’ny fifidianana

Sample post image

Iray amin’ireo mpanao politika efa nanambara ny haha kandida Filoham-pirenana azy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana,

17-août-2023

ary hatry ny ela no naneho fa tena handrombaka ny fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana, ary matetika no nanehoany fampitandremana eo anatrehan’ny fikasana hanao hosoka ara-pifidianana. Tsy tapaka fa teo foana tamin’ireo fivoriana politika in-telo miantaona nataon’ny Vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI. Vao tsy ela no nanome toromarika an’ireo mpiara-mikatroka aminy ao anatin’ny RMDM izay vao avy nankalaza ny faha-4 taonany, ka nanome baiko azy ireo tsy hieritreritra afatsy ny fifidianana. Averiny matetika ny hoe : « Dada 2002 ity fa tsy Dada 2018 ! » Na isan’ireo kandida iharan’ny antsojay samihafa aza i Marc Ravalomanana, dia heverin'ireo mpanara-baovao politika fa anisan'ireo kandida tsy azo hamaivanina mihitsy amin'ny fifidianana ho avy io. Efa ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra nandritra ny 2 taona i Ravalomanana no nanapa-kevitra fa hirotsaka ho fidiana Filoham-pirenena ka nifandrina tamin'ny amiraly Ratsiraka ary dia nandresy moa izy na dia teo aza ny krizy 2002. Fito taona no naharetany teo amin'ny fitondrana ary efa resaka halako bika tsy tiako tarehy raha misy milaza fa tsy nahavita i Ravalomanana. Ny fanatsarana moa misy foana, fa tamin'ny fitondrana Ravalomanana kosa aloha dia tsara kokoa noho ny zavamisy tato anatin'ny 13 taona ny fiainan'ny Malagasy. Isan’ny noraketin’i Marc Ravalomanana ao anatin’ny boky vao navoakany ny làlana nodiaviny teo amin’ny fandraharahana nipaka tamin’ny fitondrana firenena, toy ny nianarany sy nipetrahany 7 taona tany Suède, ka nanampian’ny tompon’ny orinasa Tetra Park azy, nahafahany nampiroborobo ny Tiko, saingy nodorana sy norobaina. « Mampalahelo izany saingy tsy dia mahataitra ahy firy satria tsy azo atao am-po tanteraka ny harena. Mamono raha apetraka ao am-po ny harena. Mila fitoniana ny fiatrehana sedram-piainana rehefa miady amin’ny fahantrana, ary efa niainanay izany tamin’ny fandalovana zava-tsarotra sy fitsapana maro samihafa”, hoy I Marc Ravalomanana. Hita amin'ireo fitsidiham-paritra ataony fa tena mbola manana ireo mpanara-dia azy tsy azo hozongozonona i Marc Ravalomanana. Misy mihitsy aza no efa sahy miteny fa ho tafiditra any amin'ny fihodinana faharoa i Dada. Samy manana ny tombatombany moa fa ny azo antoka fotsiny dia hafana ny fifidianana ho avy io, ary raha kandida i Andry Rajoelina dia mety io no fifanatrehana farany eo amin'izy mianaka, ady politika izay efa nanomboka tamin'ny 2007.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap