airtel

Politique

24-avril-2023

Politique

Marc Ravalomanana “Tsy izay rehetra mibontsimbontsina no mahavita”

Sample post image

Tao Sambava indray no nifamotoana tamin’ireo mpanohana azy sy nanao fanentanana ny olom-pirenena hanamarina ny anarany sy hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

24-avril-2023

Efa nihatrana ny mpitandro ny filaminana, saingy afaka nanao ny fihaonana tao amin’ny Cercle Chinois Sambava ihany ity Filoha ity sy ireo mpiara-dia aminy. Nandritra io no nilazany, fa potika tanteraka ny sehatry ny lavanila, ny tantsaha no mizaka ny tsy eran’ny aina, tsy ekena ny ampihimamba fa mila olona mahay sy mahalala ary mahavita ilay sehatra. “Tsy miova ny vidin’ny lavanila any ivelany, fa isika no korontanin’ny olona hifehezany ny vidiny. Mila halalahana mba hisian’ny fifaninana malalaka. Vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy”, hoy I Marc Ravalomanana. Raha tsy hay tsara, hoy izy, ny mitazona ny maha voalohany an’I Madagasikara sy ny maha Renivohitry ny lavanila ny faritra SAVA dia hosongonan’ny olona isika. Nahitsy ity Filoha teo aloha ity nilaza fa tsy izay rehetra tonga any dia hibotsimbotsina ho dia mahay, fa tena mila mahalala sy mahay ary mahavita. Momba ny politikam-pitantanana ny firenena, naneho I Marc Ravalomanana, fa mifameno ny Malagasy, ary rehefa mandroso ny faritra tsirairay dia mandroso i Madagasikara. Ny fahasamihafana no harena voalohany mampandroso ka tsy tokony hanaiky hozarazaraina amin’ny resaka fihaviana ny Malagasy iray na avy any Atsimo na Avaratra na Andrefana na Atsinanana na afovoany teo anatrehan’ilay kabarin’ny olom-boafidy IRD nilaza fa tsy “tsy olona boaka atimo no hankadala ny any Avaratra”. Ny tsikaritra dia toa hifanotofan’ireo mpanao politika heverina sy tombanana fa ho kandida Filoham-pirenena ny Faritra SAVA. Vao tsy ela no tany i Andry Rajoelina, toa nifanontona taminy tany i Siteny Randrianasoloniaiko, ary taorian’izay dia nigadona ihany koa i Marc Ravalomanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap