airtel

Politique

03-août-2023

Politique

Mbola vao mialohan’ny fifidianana Mihamafy ny sakantsakana ara-politika

Sample post image

Mampanahy hatrany ny fihetsiky ny fitondrana. Tadiavina hatao am-bava sy fomba firesaka fotsiny ny fifidianana madio, milamina, malalaka, andraisan’ny rehetra anjara,…

03-août-2023

Tsy resaka latsa-bato fotsiny io fa tafiditra ao anatin’izany ny fahalalahana ara-politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Tokony hitovy ny herijikan’ny rehetra, ary hitovy eo anatrehan’ny lalàna, saingy tsy izay ny sary politika miseho ankehitriny. Ny fampiasana fahefaham-panjakana, volam-panjakana, fananam-panjakana,… efa zary lasa fomba fanao mba hoenti-manome tombondahiny mivantana na ankolaka kandidam-panjakana. Ny fahefam-panjakana hoentina amin’ny famoretana ireo mety ho mpifaninana amin’ny fifidianana, ka toa mandeha ny fitadiavana izay fomba rehetra hoenti-manakana sy mandrara ny hafa na efa manaraka fepetra aza. Efa adihevitra ny nandraisan’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny atitany ny fanapahan-kevitra handrara ny fahafaha mamory vahoaka ara-politika an-kalamanjana, izay mbola tsy nisy angamba hatramin’izay nisian’ny Repoblika Malagasy. Hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka ny Vondrona Eoropeanina sy ireo firenen-dehibe no nanao tsindro-paingotra, fa manohintohina ary tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fahalalahana ara-politika, izay nosoniavin’I Madagasikara. Efa mazava sy ofisialy, araka ny didim-panjakana laharana 2023-863 navoakan’ny governemanta ny 11 jolay 2023 ny fanaikana ny mpifidy amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahana ny 9 novambra. Midika izany, fa ao anatin’ny vanim-potoana mialohan’ny fampielezan-kevitra sy fifidianana na “pré-campagne” i Madagasikara. Lojika raha mihetsiketsika ireo etamazaoro politika ka miroso amin’ny kongresy, fihaonana amin’ireo mpikambana ao aminy, fiantsoana filatsahan-kofidiana, fanambarana ny maha kandida,… Vao aty fiaingana anefa, dia efa mandeha ny karazana fingampingana samihafa mahazo ireo Antoko na vovonana politika maro na mahafeno fepetra aza amin’ny fanaovana fihaonana amin’ny mpikambana ao amin’ny antoko sy ireo mpiara-dia aminy ao amin’ny toerana tsy miankina, mifefy ary miantoka ny fitandroanany filaminana sy fandriampahalemana mandritra ny hetsika. Tany miady angaha I Madagasikara sa efa lasa tsy Repoblika Demokratika fa niova sata hafa ka voarara sy sokajiana ho fikomiana politika amin’ny Fitondrana ny mety ho fihaonana politika na fifampitam-baovao ho an’ny antoko na vondron’olona ivelan’ny mpitondra?
MAMPITOMBO NY AHIAHY
Vao aty amin’ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana dia efa mandeha ny mizana tsindrian’ila ka ahoana no hananana antoka amin’ny fahadiovan’ny fifidianana amin’izany? Inona no antoka tsy hisian’ny tsindry hampandresena ny kandidam-panjakana? Raha izao no mety hatramin’ny fanaovana propagandin’ny mpifaninana aza hosakanana ankolaka! Tsy misy ny lalàna mazava momba ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana eto Madagasikara, ary ny Malagasy isam-batan’olona dia malalaka hivezivezy amin’ny toerana rehetra eto Madagasikara ary mihaona sy mivory miaraka amin’izay olona tiany rehefa tsy manakorontana manohintohina ny hafa. Koa inona no anton’ilay sakantsakana? Efa manaiky ho tompon’andraikitra amin’izay fihaonana ataony ireo mikarakara, afaka manara-maso ny mpitandro filaminana ka inona indray no mbola olana sa efa manao fiadin’ny kanosa ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap