airtel

Politique

26-juil-2023

Politique

Mifoha indray ny « fonds Souverain » Sao hangoronana volam-panjakana alohan’ny fifidianana?

Sample post image

Mifoha indray ny resaka FSM (Fonds Souverain Malagasy) rehefa tsy dia re firy tao anatin’ny fotoana maharitra. Ny aogositra 2021

26-juil-2023

no namoronana an’io, orinasa “société anonyme” eo am-pelantanan’ny Fanjakana izay nambara fa natokana ho amin’ny fitantanam-bola sy hanatanteraka ireo fandaharan’asam-pampandrosoana laharam-pahamehana, hampiasa vola amin’ny tetikasam-pampandrosoana ara-stratejika, miteraka tombony, ary mamorona asa,... Voalaza fa loharanom-bolan’io ny vola avy amin’ny Fanjakana sy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ireo vokatra avy amin’ny latsakemboka sy fahazoan-dàlana toy ny amin’ny resaka tontolo iainana, ny vola azo avy amin’ny petra-bola ataony, ny tombony avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana samihafa, ny findramam-bola avy amin’ny rafitra ara-panjakana na tsy miankina eo amin’ny sehatra nasionaly na iraisam-pirenena, ary ireo loharanom-bola eto an-toerana sy iraisam-pirenena hafa. Raha efa ny aogositra 2022 no voatendry mpikamban’ny Filankevi-pitantanana dia ny may 2023 teo no voatendry ny filohan’io, raha toa ka izao kosa no mamoaka antso tolotr’asa iraisam-pirenena ho an’izay te ho Tale Jeneralin’io ny Fitondram-panjakana. Kitampom-bola manokana fiandry ho eo am-pelantanan’ny Fanjakana ivelan’ireo tetibola efa voafaritra sy voatsinjara hanatanterana ny tetikasa maro samihafa ny « Fonds Souverain », raha adika tsotsotra.
MAMPIAHIAHY
Raha ny làlan-tsaina fahita momba ny fananganana an’itony « fonds souverain» izay kitapom-bola ho an’ny fampiasam-bola eo am-pelantanan’ny Fanjakana itony, dia matetika noho ny « excédent économique » na manatombo amin’ny tokony ho izy ny vola miditra sy ny tombony ara-toekarena ho an’ny firenena raha adika ankampobeny. Mampametra-panontaniana hoe : ao anatin’izany ve ny firenena Malagasy amin’izao sa rendrika tanteraka ao anaty fahantrana sy fahasahiranana ? Somary manaitra ihany hoe : ao anatin’ny volana vitsivitsy tsy hahataperan’ny fe-potoana iasan’ny Fanjakana Rajoelina no mifoha indray ity resaka ity. Sao sanatrian’ny vava tetika hoenti-mandroaka vola etsy sy eroa, na hangoronana ny volam-panjakana ho ao anatin’ny FSM ka sanatria ho alain’antokon’olona na vondron’olona rehefa miala amin’ny fitondrana? Tany amin’ny aogositra 2021, isan’ny naneho sy nanakiana an’io mafy ny depiote Roland Ratsiraka, fa hataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena anaty lisitra mainty amin’io isika satria ny tahirim-bola amin’ny endriny toy itony dia mety hifandray amina trafika (volamena, boaderozy, rongony,…) izay mety hifamoivoy ao anatin’io. Hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena, tsy nisy governemanta nihazakazaka hiditra amin’io rafitra manjavozafo sy heverina matetika ho asana mafia io, hoy izy tamin’izany. Efa niasa ve io FSM io tao anatin’ny herintaona nisian’ny filankevi-piantanana sa izao vao tena hetsehina? Inona no asa sy vokatra nentiny? Mampanahy vao resaka vola satria isan’ny niteraka resabe ny raharaha CNaPS, tsy hita izay vokany tamin’ny fiantsoana ny Rothschild & Co ho mpiara-miasa hitady làlana ara-bola ho an’i Madagasikara, ka ity resaka FSM ity ve no atao bala farany ? Sao mba fomba hoenti-mangorom-bola mialohan’ny fifidianana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap