airtel

Politique

19-juin-2023

Politique

Miha mangotraka ny politika Nodarohana lakrimozenina Ravalo sy ny TIM

Sample post image

Nafana ny fandravana hetsika politika tao Antsirabe ny sabotsy 17 jona teo. Norarafan’ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso I Marc Ravalomanana sy ny mpanara-dia azy, raha nikasa hanao kongesim-paritry ny Antoko TIM tao amin’ny Magro Avaratsena.

19-juin-2023

Nolazaina fa tsy nahazo alalana, fa mandika lalàna. Nilaza ny Prefen’Antsirabe Raharison Tsiry Miarana, fa nisy ny fangatahana hanatanterahana izany, ary manaiky fa an’olon-tsotra, kanefa noho ny fanakaikezany tsena sy lalàm-bahoaka ary ny andro sabotsy dia ambony ny fandriampahalemana sy ny fiainam-bahoaka. Nambara fa nihoa-pefy ny TIM satria efa nisy alalana nomena ho an’ny CDA Vatofotsy. Tsy anefa no nangatahan’ny TIM ary ny Magro Avaratsena no azy saingy. Vokany, vao nandalo tao amin’ny tsenan’I Sabotsy I Marc Ravalomanana sy ny mpanara-dia azy dia efa nosakanana sy naparitaka. Nanomboka teo Antsenakely no nirarakopana ny baomba mandatsa-dranomaso, tsy navela hiditra tao amin’ny Magroa Avaratsena. Tsy an-kitsitsy ny fampiasan-kery, nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, nanjolofotra ny setroka,… Vokany, olona 4 no naratra ka ny 3 no voa mafy, izay ankizy tsy ampy taona voa teo amin’ny ranjony, ary vehivavy 67 taona sy 57 kosa ny roa, tovovavy iray hafa ihany koa torana sempotry ny baomba mandatsa-dranomaso. Mazava izao, taorian'ilay fanamarihana sy fanambarana nataon'ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny zandarimariam-pirenena ny zoma teo fa dia ho hentitra amin'ny fifehezana ny famoriam-bahoaka ny fitondram-panjakana dia niditra tamin’ny fampiasan-kery mahery vaika kokoa ny Emmo-nat. Mpitandro ny Filaminana zavon-tany no nalefa tao Antsirabe tamin’iny faran’ny herinandro iny, nisy mihitsy ny “renfort” avy aty an-dRenivohitra. Nanitrikitrika ny Prefen’Antsirabe fa ny famoriam-bahoaka ara-politika dia voafehin’ny lalàna, tsy maintsy anaty ny efitrano no hanatanterahana izany. Nifanindran-dàlana tamin’io ny “redynamisation” an’ny TGV tany Fitovinany fa tsy nisy sakana na ankalamanjana aza, betsaka ny hetsiky ny volomboasary nisy fidinana an-dalambe aza fa malalaka, fa rehefa ny mpanohitra dia ilàna kisa sy lazaina tsy manara-dalàna? Nilaza moa io Prefe io fa tsy nampiasa hery ny mpitandro filaminana fa ny fitandroana ny filaminam-bahoaka no natao.


NIVADIKA DIABE
Na teo aza ny fanakanana sy ny baomba mandatsa-dranomaso, tsy nihemotra moa I Marc Ravalomanana sy ireo depiote TIM miisa 10 tonga nitarika ny hetsika tao Antsirabe. Nivadika ho diabe namakivaky ny tanàna ny hetsika.“Tsy mahasakana antsika ireo. Ataontsika hotetezina mihitsy ny tananatsika”, hoy I Marc Ravalomanana. Tamin’ny 1ora tolakandro no tonga tao amin’ny Top Vatofotsy Antsirabe, ka nandritra izany no nilazan’I Marc Ravalomanana hoe: “Leo lainga tsara lahatra, leo delestazy, leo tsy fahampian-tsakafo, leo laingalainga sy fitapitaka, leo fahantrana,...”. Miha mangotraka ny fifandonana politika vao aty amin’ny ankatoky ny fifidianana ka asa izay hiseho rehefa tena raikitra ny fifidianana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap