airtel

Politique

01-juin-2023

Politique

Minisiteran’ny Atitany 97,2 miliara Ar ny famatsiam-bolan’ny Fanjakana Foibe

Sample post image

Nifarana ny alarobia 31 mey 2023 ny fanaovana ny tatitry ny asan’ny Governemanta teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

01-juin-2023

Ny Minisitry Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Rano sy fanadiovana ary fidiovana, ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, ny Minisitry ny Asa Vaventy, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany ary ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy Toeram-ponenana no namarana izany. Ho an’ny Minisitry Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, teboka maromaroma no nosinganina dia ny : famatsiam-bola avy amin'ny Fanjakana foibe izay mitentina 97 283 160 000Ar. Ny 9 660 000 000Ar ho fampandehanana ny Faritra (420 000 000Ar isaky ny Faritra), 50 850 000 000Ar ho fampandehanana ny Kaominina (Ar 30 000 000 isaky ny Kaominina), 11 640 000 000Ar fanampiana ara-bola fanampiny ho an'ireo Kaominina ahitana mponina mihoatry ny 5 000, 2 787 680 000Ar "subventions SEC", 3 582 480 000Ar "subventions CSB", 361 000 000Ar "subventions EPP", 18 402 000 000Ar tambin-karaman’ny Lehiben’ny Fokontany sy ny Lefiny, raha ny tatitra. Teo ihany koa ny naovana hetsika fanomezana kopian'ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana ho an'ny olom-pirenena feno 18 taona noho mihoatra, izay nahitana mpahazo tombontsoa miisa 1 474 917; fanaovana hetsika fanomezana kopian'ny sora-pahaterahana ho an'ny zaza latsaky ny 18 taona, ka zaza miisa 26 000 no nisitraka izany tao anatin'ny Faritra Fitovinagny, Anosy, Analamanga sy Atsinanana,... Tsara kosa etsy andaniny no mampahatsiahy fa tany amin’ny volana desambra 2022 no nampanantena ny Filoham-pirenena fa hakarina avo telo heny ny tambin-karaman’ny sefom-pokontany, ka raha 40 000Ar dia hiakatra 120 000Ar izany. Nolazaina fa hatramin’izay tsy nisy mpijery ireo sefom-pokontany, fa ity Fanjakana ity no nahavita an’izany. Akaiky rahateo moa ny fifidianana ka mandeha ny pi-maso. 5 volana aty aoriana anefa, betsaka ireo fokontany milaza fa tsy mbola mihatra io, tsy misitraka izany intsony. Sa hanaovana fihetsiketsehana manokana toy ny fizarana fifanarahana arak’asan’ireo mpampianatra FRAM voaray ho mpiasam-panjakana ny fizarana tambin-karaman’ny Sefom-pokontany rehefa atomotra ny fifidianana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap