airtel

Politique

04-août-2023

Politique

Mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita

Sample post image

Mila mifandamina hisorohana ny rombo!

04-août-2023

Namoaka fanambarana ny Fikambanan’ny Mpikamban’ny Kongresin’ny Tetezamita na FMKT izay fikambanana mijoro ara-dalàna izay 350 eo no mbola velona, fa mahatsiaro tena ho manana adidy eo anatrehan’ny kihon-dàlana lalovon’ny firenena izay mandalo olana amin’izao fotoana izao. “Tokony hanana fanentren-tena lalina ny olon-drehetra mieritreritra hitondra an’I Madagasikara, ka hametraka ho vaindohan-draharaha ny fitiavan-tanindrazana. Ilàna fitoniana eo amin’ny sehatra politika izany”, hoy ny FMKT tamin’ny alalan’ny Filohany Atoa Ratolojanahary Andrianasy Lucien. Notsiahivin’ny FMKT fa ny antom-pisiany tao anatin’ny kongeresin’ny tetezamita, dia nanao lalàna nenti-namaha olana sy nandravona ny krizy, raha tsy hiteny afatsy ny lalàna miisa 63 nahatongavana tamin’ny rafitra nahafahana nanao fifidianana neken’ny rehetra. Tamin’ny andron’ny tetezamita no namoahana ny tondrozotra sy lalàna maro noheverina fa entina hamahana ny krizy. Mihevitra izy ireo fa raha nampiharina araka ny tokony ho izy ireny dia tsy ho tonga amin’izao tsy fitovian-kevitry ny samy mpanao politika ankehitriny izao. Naneho fa ilaina ny fifanakalozan-kevitra, ka mijanona ho hery afovoany ny FMKT. Efa nihaona tamin’ny SADC sy ny Vondrona Eoroepeanina ny Biraon’ny FMKT. Isan’ny notaterin’izy ireo tamin’ny SADC ny hoe: mila fifidianana mangarahara, tsy mitanila, eken’ny rehetra, lavitry ny hosoka izay vao milamina. Ny dingana sy ny fepetra misy hatreto anefa dia tsy tonga amin’izany, fa mila ny Fanjakana sy ny herivelona rehetra hifandray tànana hisian’ny marimaritra iraisana hisian’ny lisi-pifidianana harafitry ny rehetra satria mampifanolana, hisian’ny lalàm-pifidianana vaovao, fandrafetana CENI sy HCC vaovao, ary maninona moa raha manangana governemanta ny herivelona sy ny Fanjakana mba hitondra antsika amin’ny fifidianana? hoy io FMKT io, izay nilaza fa izay ihany no làlana ahafahantsika miroso amin’ny fifidianana. Mbola misy 6 volana, mbola amin’ny 19 janoary no tapitra ny fe-potoana iasan’ny Filoha izay heverina fa Raiamandrenin’ny Malagasy hatreto, ka raha izy no miantso hoe: andao hifanamboatra sao ahitan-doza ny fandehan-draharaha, dia mbola misy fotoana, hoy Atoa Beanjara Paul. Nanamafy izy ireo fa mila milamina tsy hidirana amin’ny rombo, saingy nilaza rehefa nanontaniana, fa tsy maniry tetezamita ary nilaza fa tsy mitady an’izany, ary tsy hiditra amin’izany ny FMKT.
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap