airtel

Politique

30-juin-2023

Politique

Nametraka fitoriana ny ADDM « Tsy filoha i Rajoelina fa mpisandoka »

Sample post image

Nametraka fitoriana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina teny amin’ny Lehiben’ny Fampanoavana, Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ny Fikambanana ADDM

30-juin-2023

Association pour le Droit et Développement de Madagascar) tarihin-dRatoa Fanirisoa Ernaivo, tamin’ny alalan’ny Mpisolovava Me Eric Rafidison omaly 29 jona 2023. « Fitoriana mikasika ny raharaha fananan’ny Filoham-pirenena ankehitriny zom-pirenena Frantsay na koa tsy fananay zom-pirenena Malagasy intsony io satria aminay dia hosoka ny taratasy manamarina ny zom-pirenena Malagasy na “certificat de nationalité” narotsaka rehefa nanao dosie nirotsahana ho kandida Filoham-pirenena tamin’ny 2018 I Andry Rajoelina », hoy io Mpisolovava io. Milaza izy ireo, fa tsy Filoham-pirenena i Andry Rajoelina fa mpisandoka satria efa tsy Malagasy intsony tamin’ny fotoana nirotsahany ho Filoham-pirenena, ka izay no tsy nametrahana fitoriana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Vesatra hafa ihany koa moa ny « Espionnage » na fitsikilovana, « atteinte à la sûreté extérieure de l'Etat » na fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena, ankoatra ny resaka famadihan-tanindrazana avo lenta na « Haute trahison ». Nanampidirina any amin’ny ady heloka izany ny raharaha momba ity Filoha ankehitriny ity ka asa izay ho valiny ? « Mazava ny lalàna momba ny zom-pirenena andininy faha-42, fa ny olon-dehibe ampy taona mangataka zom-pirenena vahiny izay « naturalisation » no hanasokajiana an’izany, dia very ilay zom-pirenena Malagasy ananany. Nohazavain’io mpahay lalàna io, fa very na « perd » fa tsy ho very na « perdra ». Mazava, hoy izy, ny lalàna fa tsy mila ahodinkodina. Resaka lalàna no resahintsika, ka rehefa mangataka zom-pirenena vahiny ny olom-pirenena Malagasy ampy taona dia very avy hatrany ny maha Malagasy”, hoy ny Mpisolovava Eric Rafidison nanamafy. Tsy mila fandikana lavitra, hoy izy, ary ny ankoatra izay tsy marina, hoy hatrany io mpisolovava io nanitrikitrika. Nanamafy moa izy fa nisy tokoa ny antso nataon’Atoa Fleury Rakotomalala hanajanonana ny fitoriana aloha, saingy ny mpiaro dia mitondra ny ady, ka ny olona nampitondra azy ihany no tompon’ny toromarika. Nilaza kosa Rtoa Fanirisoa Ernaivo fa lasa hosoka ny taratasy narotsak’i Andry Rajoelina tamin’ny 2018, ka ny andrasana amin’ny Fanjakana dia ny fanambarana sy ny fanamafisana fahaverezana zom-pirenena ho an-dRajoelina. Vao maina toa mandetika azy ny fisian’ny porofo samihafa milaza fa nihatra foana ilay lalàna, ary izy aza isan’ny nanasonia didim-panjakana maneho fahaverezana zom-pirenena. Nisy ohatra Malagasy nangataka zom-pirenena Allemande, ka ny lalàna any izao dia tsy mahazo zom-pirenena samihafa, ka tsy maintsy manary ny zom-pirenena Malagasy. Tsy mety maty ny afo momba ity raharaha ity, izay heverina fa tena hamaritra ny hoavy politikan-dRajoelina. Ao anatin’ny vanim-potoana akaiky fifidianana rahateo no mitranga izao, izay toa efa fambara ratsy ho an’ny Filoha ankehitriny, ary mety hiitatra zavatra hafa aoriana na mety hisy aza ny mety ho fiarovana azy eo anatrehan’ny ambaratongam-pahefana sy lalàna. Karazan’ny tandindon’ny ho avy ratsy ara-politika ho azy ny sary miseho ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap