Voalaza fa nahatratra 4 ora mahery ny dinika nifanaovana. Tanjona ny hisian’ny fitoniana indrindra amin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao ahafahan’ny Malagasy manontolo hanao ny asa andavanandro tsy hokorontanin’ny fiainam-pirenena, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Niantso ny Malagasy hankalaza ny fetim-pirenena ao anatin’ny Fiombonana sy ny fitoniana. Firenena manana ny maha izy azy ka fotoana hanehoana izay fitiavana izay, hoy hatrany io Praiminisitra io izay nilaza fa tsy mahasoa ny fanakorontanana firenena. Nandinika sy namakafaka ny famerenana ny fandriampahalemana, ary niantso ny mpanao politika hanaja ny soatoavina. Nilaza ny Praiminisitra fa betsaka ny ady natao tamin’ny trafika, asan-dahalo,… Nisy noho izany ny fanapahan-kevitra maro noraisina mba hisian’ny fandriampahalemana na ambanivohitra na ambonivohitra. Henjana ny zava-misy na an-tsaha na an-tanàna amin’izao, ary tsy misy tsy mikolay. Mafampana ihany koa ny politika. Midika fa tsy tongatonga ho azy ny fivorian’ny OMC Nat omaly.
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra