airtel

Politique

01-août-2023

Politique

Niaro tena ny Mpitondra "Tsy misy tany homena ny vahiny izany"

Sample post image

Fampanofana tany no azon'ny vahiny ary vahiny manatanteraka tetikasa eto amin'ny firenena ihany no afaka misitraka izany.

01-août-2023

Tsy misy tany homena vahiny izany. Isika aza haka ny tanintsika lasan'ny vahiny. Ny malagasy mivelona amin'ny taniny, afaka miaina am-pifaliana amin'ny taniny ; izay no tanjon'ny fitondram-panjakana ankehitriny”, hoy ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany Houlder Ramaholimasy omaly nandritra ny fanolorana fitaovana an'ny kaominina 4 teny Manakambahiny. Tao anatin’izany no nanamafisana, fa hiroso amin'ny iray volan'ny fizarana karatany ihany koa ny fanjakana malagasy raha nifarana tamin'ny herinandro teo ny herinandron'ny karatany ho an'ny faritra Atsimo Andrefana. Fanombohana vaovao indray hanomezana karatany ny malagasy rehetra ity, hoy ny minisitra. Momba ilay resaka tany tsy omen any vahiny, dia ny mikasika ny Nosy Sakatia any Diana no heverina fa nahatonga an’io fanazavan’ny Minisitra io. Niteraka resabe mantsy ny nahazoan’ny Green Mada Land azy io, izay voalaza fa hampanofaina maharitra 99 taona, izay voalaza ihany koa fa hanaovana tetikasan’ny Filoham-pirenena na “Projet presidentiel”. Isan’ny nampaneno lakolosy tamin’io ny CRAAD-OI (Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives au Développement - Océan Indien) vao herinandro mahery eo izay, ary nandefa taratasy misokatra ho an’ny Filoham-pirenena. Misy ny fanesorana ireo mponina fa hoe : hafindra satria ilain’ilay orinasa ny tany. Ny 29 novambra 2019 anefa dia voalaza fa nisy ny didy n°27227/2019-MAHTP milaza ny fanafoanana io fampanofana tany 99 taona io, saingy ny 23 mey lasa teo no nampanantsoina ireo mponina fa hafindra noho ny filan’ilay orinasa ny tany. Raha fampanofana 99 taona izany ve tsy efa naman’ny lasany? Mbola azo antoka ve fa ho velon’aina avokoa ny rehetra amin’izany ka afaka hanaporofo fa mpanofa fotsiny ireo? Tsy efa naman’ny lafo ambogadiny? Tsy izany ve no isan’ny notoherina teto tany aloha? Moa tsy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nivantana no niteny tamin’ny 2018 fony izy mbola kandida fa mivarotra tany 100Ha fotsiny ohatra dia mahavita ny fanajariana ny tanàna ka atao mahagaga ve raha misy tranga hafahafa miseho?
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap