fitsidihan’ireo depiote anatin’ny Mihava Tour tarihin’I Siteny Randrianasoloniaiko azy tao Nosy Be ny sabotsy 03 jona lasa teo. Nitsabo tena tany amin’ny hopitaly mitsabo tena sady manohy ny saziny ity mpanjaka vavin’ny Salegy sady mpanao politika ity. Nohelohina ho nananganana tambazon-dahalo miampy heloka maromaro hafa moa izy, ka nohelohina higadra 18 volana sazy mihatra, ka 12 eo ho eo izay no efa vitany. Nitondra teny fankaherezana azy ary nanolotra solon-dranomboankazo ho azy ireo Depiote an’ny Mihava Tour tamin’io sabotsy io, ka tamin’izany no nilazany sy naneoany ny alahelony hoe: “Tsy migadra aho fa nogadraina”. Fifandrifian-javatra ve ny hoe: taorian’ny fitsidihana nataon’ireo depiote mpifanandrina ara-politikan’ny fitondrana no namerenana azy am-ponja indray? Inona no fahadisoany amin’izany raha misy olona maniry ny hitsidika azy izay nahazo alalana matoa afaka nijery azy? Tsy fombana azy manokana fa aiza ho aiza ny resaka zo maha olona raha toa ka ny mety ho fitsidihana nataona mpifanandrina politika no namerenana azy am-ponja tsy afaka ny hisitraka fahafahana mitsabo tena? Mpanakanto maro no efa nanao antso fanairana amin’ny tokony hamelana an’i Ninie Donia saingy tsy mbola mety afa-bela. Ny ampitson’ny fankalazana ny fetin’ny reny ny alahady teo izany, dia renim-pianankaviana roa no indray nahazo fanomezana fisamborana sy famerenana am-ponja dia Rtoa Doris Rakoto Samuel izay napetraka ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana sy Rtoa Ninie Donia izay naverina nahiboka any am-ponja. Samy mamofona raharaha politika ny fanenjehana azy ireo, ankatoky ny fankalazana ny tsingerin-taona nahazoana ny fahaleovantena izay niantsoana firaisankiana, fitiavana, fitiavan-tanindrazana no miseho izao, ka tena izao ve ilay teny filamatra nalaina tao amin’ny soratra natao nampiasaina amin’ny politika hoe: ny fitiavana no lehibe indrindra ?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra