airtel

Politique

07-juin-2023

Politique

Ny vahoaka mihafy • Ny mpanohitra gadraina • Ny mpitondra miliba

Sample post image

Ny vahoaka trotraky ny fahantrana sy ny fahasahiranana fa ny mpitondra Fanjakana toa maneho amin’ny fihetsiny fa migalabona sy miliba amin’ny volam-panjakana.

07-juin-2023

Taratr’izany ny fitsidiham-paritra samihafa ataon’ny Fanjakana, raha tsy hilaza afatsy ny tany Maroantsetra ny faran’ny herinandro teo. Hanetsehana fiaramanidina, angidim-by, hitondrana delegasiona maro dia maro, hanaovana “Tombola”, ny karaman’ny artista,… izay volam-panjakana tsy toko tsy forohana no lany amin’izany. Fitsidiham-paritra iray mety handany 100 hatramin’ny 200 tapitrisa Ar raha kely, raha tarafina amin’ny zavatra maro sy pitsopitsony mila hetsehina. Raha sekoly iray, ohatra, no tokanana, mety mahavita sekoly iray hafa na roa mihitsy ny vola lany amin’ny sehoseho. Ny volam-panjakana sy ny fananam-panjakana ary ny fahefam-panjakana no toa hoentina hatrany mankany amin’ny tombotsoa politikan’ny antoko eo amin’ny fitondrana.

KABARY SY FAMPANANTENANA TSY MAHARESY FAHANTRANA
Ny hita taratra mantsy, kabary politika mirarakopana sy fampanantenana miantso ankolaka ny hifidianana azy indray no re, raha tsy hilaza afatsy ilay hoe: “izaho dia ho Filoham-pirenena hamoky ny vahoaka”, izay natao tamin’ny filazam-potoana ho avy. Etsy andaniny, ny vahoaka mila mihafy sy mandefitra ao anatin’ny fahasahiranana sy olana maro tsy tambo isaina. Taratr’izany io olan’ny delestazy io, izay fampanantenana poakaty lava no mirarakopana niainga tany amin’ny propagandy hatramin’izao. Ny Jirama tsy misy na tsy ampy solika satria tsy ampy vola, bokan-trosa, ka ny vahoaka no ampihafiana sy mizaka ny ngidiny, fa ny mpitondra Fanjakana mandany vola tsy toko tsy forohana. Ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina nampanantenaina fisondrotan-karama satria misy tohana avy amin’ny Fanjakana, saingy nihemorana satria nivadika ho poakaty ilay fampanantenan’ny Fanjakana, nofoanana ny anjara 12 000Ar avy aminy, ka lasa 238 000Ar ny karama farany ambany. Ny fijerena ny laharam-pahamehana moa efa matetika mampiady hevitra satria matetika toa mihazakazaka mandany vola any amin’ny zavatra kirendrarendra. Nitondra inona marina ireo kianja manara-penitra nandaniana vola tsy toko tsy forohana? Inona no voka-tsoa avy amin’ny fananganana Colisée ao Anatirova nampiady hevitra? Ahoana izany 20 miliara Ar nalaina tao amin’ny seranantsambon’I Toamasina nanaovana Miami izany? Toa mihazakazaka any amin’ny sehoseho ivelany sy fanarontsaronana ny lesoka sisa, fa raha ny fiainam-bahoaka efa tena rendrika tanteraka.

MPANOHITRA
Raha ny tontolo politika indray dia voahenjika, voasakana ary misy efa nalefa any am-ponja mihitsy ireo izay sokajiana fa tsy mitovy hevitra na manohitra ny fanjakana. Hamoronana izao voambolana isan-karazany terena hifanaraka amin’ny didy aman-dalàna ny fanenjehana ka ny aza tratra ihany raha bebe fanakianana ny fitondrana. Efa hita anefa fa maro no tsy mety ka mila ahitsy, fa dia tsy te hahalala ny manampahefana fa dia ny ataony ihany no ataony.
Anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena isika izao, marina fa ilaina ny fampifalifaliana vahoaka saingy tsy tongatonga ho azy ihany koa ny resaky olom-pirenena hoe: sao mba tokony hajanona ohatra izany resaka Podium sy afomanga izany fa ny olan’ny delestazy no mila vahana ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap