airtel

Politique

23-juin-2023

Politique

ONG Tolontsoa «Miomàna ianareo mpanao politika haka fahefana»

Sample post image

Miomàna ianareo mpanao politika haka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana fa aza miheritreritra haka fahefana ivelan’izany,

23-juin-2023

hoy ny fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny ONG Tolontsoa. Mangataka amin’ny CENI izahay, hoy tomponandraikitry ny fanentanana, Miadana Fabien Privat, hoe aiza ny taratasim-panjakana milaza fa azo atao ny manemotra lava ity fahafaha-manamarina anarana anaty lisi-pifidianana ity? Ny voalazan’ny lalàna, hoy izy, dia misy fotoana hanoratana anarana, hanotana lisitra, hanamarinana ny anarana sy fanitsiana rehetra. Tsy misy fisoratana anarana intsony izany rehefa mandeha ireo. Mbola miara-mandeha anefa izany rehetra izany izao. Ny ahiahy amin’ireo nanoratra anarana nanomboka ny 10 jona izany hatramin’ny 17 jolay dia ho very zo ireo satria tsy afaka hanao fanamarinana sy fanitsiana intsony. Tokony mbola hisy 20 andro indray mandeha indray izany ho an’ireo. Raha ny mikasika ny sata mifehy ny fitondran-tena ataon’ny FES dia tsara marihina fa efa nisy nataon’ny fiarahamonim-pirenena ny 2018-2019. Be dia be no nanao sonia. Rehefa natao ny tombana dia ireo kandida nandika izany sata izany indrindra no nanao fiodinana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny 70%n’ireo solombavambahoaka lany ankehitriny tsy misy manaraka izany. Aiza ho aiza izany ny tombana nataon’ny FES? Tsy nahomby ny tamin’izany fa ny an-drizareo ve izany mety ho arahana kokoa? Betsaka ny azo ahitsy amin’ny tontolon’ny fifidianana saingy tsy fotoana fanitsiana intsony izao fa fotoana hanomanana fandatsaham-bato. Aorian’ny fifidianana no fanaovana fanitsiana fa tsy hoe fanahy iniana akaiky fifidianana vao apoitra ilay olana satria iaraha-mahalala fa misy mpanao politika tsy afaka ahazo fahefana raha tsy ivelan’ny fifidianana, hoy hatrany ity fiarahamonim-pirenena iray ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap