airtel

Politique

20-juin-2023

Politique

Politika sy fahefana Nofon-kena an-tanan-tsaka !

Sample post image

Ara-bakiteny tanteraka amin’izao fotoana izao ilay hoe: “nofon-kena an-tanan-tsaka”, raha ny sary politika amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

20-juin-2023

Sarintsarina fampandrosoana no hita, fa tsy araka ny fampanantenana zavon-tany sy hamadika an’I Madagasikara ho paradisakely tamin’ny propagandy. Farafaharatsiny voatazona ny toeran’ny firenena sy ny fari-piainana tamin’izany, fa amin’izao anie ka mitombo ny isan-jaton’ny mahantra fadiranovana, miha mitotongana ambony ambany ny toekarem-pirenena, tsy marin-toerana ny diplaomasia, potika sy rotika ny orinasam-panjakana, ny delestazy zava-doza tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona, ny volam-panjakana ratsy tantana, ny firenena mitady ho banky ropitra, ny programan’asa manjavozavo ka aty amin’ny faran’ny taom-piasana vao hoe : vonona hanampy ny firenena izatsy na zaroa,… Tsy te hahalala an’izany ny Fitondrana volomboasary, ary fady ny hiaiky ny tsy fahombiazana, hambom-po no hitondrana ny politika, ka terena hanaiky ny rehetra fa izao zava-misy ankehitriny izao no atao hoe: fandrosoana sy fampandrosoana. Politikan’ny hena an-tanan-tsaka, ka ny hihinana sy haharitra eo amin’ny fahefana no tena kajy, ary toa tonga amin’ilay fanamarihan’ny mpampianatra-mpikaroka iray hoe: tsy ao anaty diksioneran’ny olona efa nanongam-panjakana izany demokrasia izany, fa ny azy dia ny hitazonana io fahefana io ela araka izay tratra no laharam-pahamehana ho azy. Fifidianana mbola tsy mandeha dia toa efa misy manandra-tena ho tsy maintsy mandresy. Tsy mahalala onina, tsy mahalala voky, zary lalan-tsaina ao anaty fitantanana ny akamakama, ary misy amin’ireo olon’ny fitondrana aza moa no efa nilaza hoe: misy mbola tsy nahazo toerana ireo namanay. Lojika ny namana no antsoina, fa firifiry moa ireo manao fitaovana ny fahefam-panjakana hambotriana ny firenena, raha tsy hilaza afatsy ny hoe : solombavambahoaka mamoaka fahazoan-dàlana hitatitra hazo sarobidy ? Fahefana avy aiza sy avy amin’iza ? Mby aiza ny orinasam-panjakana tahaka ny Air Madagascar rehefa ny resaka akamakama no nitondrana azy ? Banky ropitra sy novonoina, ary ny solony izay natsangana aza efa bokan-trosa tsy toko tsy forohana? Resahana sy hanaovana dokan-tena politika na “marketing politique” ny hoe: fitsinjarampahefana, kanefa kianja fampiadiana akoho aza tokanana Filoham-pirenena, toeram-pivoahana tokanana depiote,… Isaky ny mihetsika dia miantso anao prezida, avy eo “merci prezida”, dia avy izy amin’ny angady sy ny harona. Rehefa vory vahoaka, dia mandeha ny aingam-panahy, ka mitosaka ny fampanantenana, fa ny fomba hanatanterahana an’iny mbola baraingo. Ny zava-dehibe dia ny politika ahafahana mitazona io fahefana io ka tsy ny feon’ny fieritreretana intsony no mibaiko fa ny fitiavan-tseza sy fahefana efa zary mikoriana anaty ra ?
(Sary fanehoana)
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap