airtel

Politique

16-juin-2023

Politique

Prezida vazaha taratasy Fanina hatramin’ny Mapar

Sample post image

Adihevitra be etsy sy eroa nanomboka tamin'ity herinandro ity ny hoe : vazaha an-taratasy, mizaka ny zom-pirenena Frantsay ny Filoha Malagasy Andry Nirina Rajoelina.

16-juin-2023

Niparitaka ary niseho masoandro ny antontan-taratasy mifandraika amin'izany, hatramin'ny sombin-dahatsoratry ny gazetim-panjakana any Frantsa mampiseho hoe nahazo tokoa ny zom-pirenena Frantsay nanomboka ny novambra 2014 i Andry Rajoelina. Niitatra hatrany amin'ny filatsahan-kofidiana sy ny fifidianana Filoha tamin'ny 2018 ny resaka, lasa nivoaka ny hoe Frantsay ve izany no nitondra an'i Madagasikara tato anatin'ny 5 taona ? Raha ilay lalàna 60-064 tamin’ny 22 jolay1960 dia milaza ao anatin’ny andininy faha-42 fa ny olona rehetra izay feno 18 taona ka mangataka hanana zom-pirenena hafa, dia very ny zom-pirenena maha Malagasy. Ara-politika, mety ho sahirana i Andry Rajoelina.Araka ny loharanom-baovao iray dia somary mikorapaka ihany ny ao anatin’ny Etamazaoro politikan’ny MAPAR. Misy fanina hatramin’ny mpiara-dia amin’ny Filoha ankehitriny satria raha ny fandehan-draharaha dia toa tsy nisy nahafantatra firy an’iny. Misy milaza hatramin’ny hoe: “Zandry kely tsy mba nilaza nialoha ny fisian’ireny zavatra ireny sa ve tsy atokisany isika?”. Na izany aza, mandeha ny famoriana ireo mpahay lalàna na « juriste » hikarohana ny mety ho fananan’ireo Filoham-pirenena teo aloha sasany efa nodimandry na mbola velon’aina zom-pirenena Frantsay, mba hoenti-maneho fa efa karazana didy fakan-tahaka na « jurisprudence » ity fahazoan’ny Filoha Malagasy zom-pirenena Frantsay. Ilay fomba nahazoana azy tamin’ny alalan’ny « naturalisation » taorian’ny naha feno taona anefa no tena adihevitra satria io ilay hoe : mahavery ny zom-pirenena ka mety tsy hitovy ny fomba nahazoana ilay izy. Efa nisy adihevitra nitovitovy tamin’io tamin’ny fiandohan’ny taona, ka ny namalian-dRtoa Christine Razanamahasoa azy dia hoe: “Tsy mitombina ny filazana fa tokony esorina tsy ho filoha ny Filoha amperin’asa noho ny fizakany zom-pirenena roa satria malagasy ray sy reny izy. Ankoatra ny andininy faha-42 voalaza ao anatin'ny Code de la nationalité, dia tokony dinihina manokana ihany koa ny andininy faha-45 izay milaza fa ny fahaverezan'ny zom-pirenena dia miainga avy amin'ny fangatahan'ilay olona ary mahazo fankatoavana avy amin'ny governemanta Malagasy amin'ny alalan'ny didim-panjakana. Na inona na inona fanazavana na fiarovana handeha, mampihena ny herijika politikan’Atoa Andry Rajoelina iny. Na izany na tsy izany, fotoana izao hijerena sy handinihana akaiky ny resaka lalàna manodidina an’io zom-pirenena io sao lasa diso làlana any amin’ny adihevitra diso isika ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap