amin’ny taona 2018 dia tena nirarakopana ny fampanantenana fa tsy maintsy alaina ireo. Raha niteny i Marc Ravalomanana tamin’izany fa rehefa matanjaka ara-toerana isika vao tena afaka miady an’ireo, dia nilaza kosa i Andry Rajoelina fa tsy mila miandry an’izany. Nampanantenaina mihitsy aza fa tsy maintsy hisy vokany mialohan’ny 26 jona 2020 saingy mandrak’ity ny androany tsy misy vokany. Nentina nakana ny fon’ny vahoaka sy namitahana ny Malagasy tahaka ilay hoe : hanorina trano fonenana 50000 ao anatin’ny 5 taona ihany. Nireharehana sy nanaovana serasera goavana tany amin’ny volana may 2020, raha nanontanian’ny mpanao gazety Frantsay ny hoe : fitakiana ireo Nosy no atao fa tsy mila fiaraha-mitantana izany. Andro vitsy taorian’io, ny volana jona 2020 no nakany amin’ny Nosy Glorieuses ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, nandranitra sy nilaza hoe : « ici c’est la France », saingy tsy nahitan-teny ny mpitondra. Fihetsiketsehana no betsaka tamin’ny fihetsik’ireo depiote IRD niara-nisotro CVO sy niredona hiram-pitolomana milaza fa miombona amin’ny Filoha amin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy tamin’izany, saingy na lalàna iray aza tsy nipoitra momba an’ireo Nosy ireo, raha toa ka namoaka didim-panjakana manambara ny famadihana azy ireo ho tahiry ara-boajanahary i Lafrantsa. Firifiry ireo vondrona nanolotra volavolan-dalàna na tolo-dalàna mikasika ireo Nosy ireo tamin’ny parlemanta, fa moa nodinihina na nandaniana minitra vitsy akory ? Vao tamin’ity volana jona ity no nilaza ny Minisitry ny raharaham-bahiny Yvette Sylla fa mbola hitohy ny dinika, saingy fampandriana adrisa no betsaka, tsy misy ho antenaina amin’izany, indrindra fa amin’izao Filoha vazaha taratasy mizaka zom-pirenena Frantsay no mitondra. Fanadalana saim-bahoaka sy lainga no betsaka fa ny vokatra poakaty, izay midika fa nataon-dRajoelina fakana vato tamin’ny fifidianana na “marketing politique” fotsiny ny momba ireo Nosy ireo, fa mbola nofy raha amin’izao fitantanany izao no hahazoana azy.
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra