Nisy ny dinika ny fomba azahoana olona maro hanotrona ny fahatongavan'ingahy Filoha ireo, raha ny loharanom-baovao marim-pototra hatrany. Atao izay fomba rehetra hamoahana sary, fa tena mbola mamim-bahoaka sy be mpanohana i Andry Rajoelina, ka homanina fatratra ny fomba hitarihana ny olona. Fokontany iray mitady olona 100, olona 100 mitady olona 10 avy ; Sokafana sy hamoraina ny fiakaran'ny olona avy ambanivohitra, taomina ny vahoaka ary homena nofon-kena mitam-pihavanana raha tsy misy ny fiovana ; Hiaraka aminy avy ao koa ny Minisitry ny Fampianarana, ka ny mpampianatra rehetra dia voalaza fa homena baiko ho tsy maintsy tonga eo ; Hakana artista malaza, ary mety asiana loka ahazoana moto sy ny maro hafa ; Ahetsika ny sokajina fanatanjahantena misy rehetra ao anatin'ny distrika ; Ny radio rehetra misy any dia samy hanentana daholo ; Ahetsika ihany koa ny fikambanam-behivavy,… Voalaza fa hanao « Tam Tam » ny sefom-pokontany rehetra ; hanao fizaham-pahasalamana amin'io andro io. Ampahany amin’ireo zavatra tapaka tany an-toerana ireo. Midika izany fa mikofokofoka mafy hanehoana sary politika fa mbola tiam-bahoaka ny Filoha Rajoelina ireo mpomba azy, ka hatao izay fomba rehetra ahafahana manatanteraka izany. Toa hanaovana ny tsy fanao mihitsy aza ! Marina fa zava-dehibe ny fahaizana mandray vahiny, ary tsy olonolom-poana fa Raiamandreny farantampon’ny firenena. Na izany aza, lasa miteraka sary ratsy matetika satria toa lasa mitady ho filalaovana saim-bahoaka amin’ny endrika ivelany, kajy politika avo lenta, fanerena na fividianana ny olona an-kolaka hanara-dia ilay fitondrana,… Raa miditra lalina amin’ny politika, ny sefom-pokontany izany dia manana andraikitra amin’ny fikirakirana ny raharaham-pifidianana ka azo antoka ve ny tsy hisian’ny fanambazana na tsindry hanome tombondahiny ny fitondrana? Ny lalàmpanorenana any amin’ny andiny faha-39 no mamaritra ny tsy fiandaniana politikan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fampianarana,… ka ara-dalàna ve ny fanerena sy ny fandokoana ho volomboasary ny mpampianatra ?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra