airtel

Politique

27-avril-2023

Politique

Rivo Rakotovao “Tena misy teti-dratsy amin’ny lisi-pifidianana”

Sample post image

Nahitana fahatarana iray volana ny fanombohan’ny fanaovazana ny lisi-pifidianana tany Toliara mitaha ny faritra sasany tahaka ny teto Antananarivo Renivohitra,

27-avril-2023

saingy manatombo be amin’ny tahan’ny fahavitrihan’ny olona, raha tarafina amin’ny Antontan’isa navoakan’ny CENI. 551 000 ny mpifidy voasoratra anarana eto Antananarivo, raha toa ka 749 000 mahery ny Toliara tampon-tanàna. Iray volana voalohany dia hoe: mbola aotra I Toliara. Nihazakazaka mafy be ve izany izany izy tany Toliara. Tsara raha nisy ezaka be fa iaraha-mahalala fa tsy izany no zava-misy. Tamin’ny fifidianana 2018 dia tany no tany malemy nanorenam-pangady nisian’ny hosoka be dia be ka mampieritreritra. Eto Andravoahangy, eo Nanisana 63%, ka tany ve no voatety isan-tokantrano? Avereno avoaka ary ry CENI ny “carnets” nanisana mpifidy! Mijery ny any Toliara, lasa mitombo be dia be fa hoe: misy fokontany vaovao, ka tokony havoakan’ny minisiteran’ny atitany satria tsy ny CENI no mamorona fokontany. Mampametra-panontaniana hoe: inona no tetidratsy tiana atao eto amin’ny firenena?”, hoy ny Mpandrindra Nasionalin’ny Antoko HVM Atoa Rivo Rakotovao tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina Real TV omaly. Nametra-panontaniana mikasika ilay fitsarana mitety vohitra na “jugement supplétif” ihany koa io mpitarika politika io. 3 tapitrisa no tanjona ka firy marina no vita? hoy izy. Misy “réserve de voix” napetraka ve any ambadika any havoaka rehefa tonga ny fotoana? Hoy hatrany I Rivo Rakotovao. Nambarany fa tena misy finiavana hanao tetidratsy ahafahana mampandany izay tiana hatao lany amin’ny fifidianana, ary notsipihiny fa io lisi-pifidianana io no fototry ny filaminana na fikorontanana, ary io no hamadihana ny safidin’ny vahoaka.

“Any amin’ny faritany sasantsasany mety navitrika kokoa, ny amin’ny taha io fa tsy isa satria raha isa dia mitarika Antananarivo… Misy mahasahy miteny mihitsy hoe: manao fokontany matoatoa! Raha tena marina, raha tena voaporofonareo fa nandika lalàna ny CENI, miliara maromaro sy volam-bahoaka no ampisaina amin’ny fifidianana, ka raha potehinay amin’ny hosoka ny volam-bahoaka dia tokony hitory miaraka amin’ny porofo ianareo ary saziana izahay”, hoy kosa ny Filoha Lefitry ny CENI Atoa Andoniaina Andriamazalaray notaterin’ny fahitalavitra tsy miankina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap