airtel

Politique

08-août-2023

Politique

Samy mikaikaika sy manetsetra ny rehetra ankehitriny hoe:

Sample post image

sanatrian’ny vava aladian’ny lela ve dia firenena voazona ity Madagasikara ity ka toa rotiky ny fahantrana sy korontana miseho amin’ny endriny maro eto?

08-août-2023

Dia tena tsy misy ve ny vahaolana ahafahan’I Madagasikara mitraka sy hanantenana hoavy mamiratra? Mila mandray lesona amin’ny tantara isika, ary mila mamaritra ny hoavy! Andeha atao tahaka ny voankazo an’ala, ka ny mangidy arora, ary ny mamy kosa hatelina! Raha hanatratra ny tanjona, dia mila miova làlana. Isan’ny lesoka teto hatramin’izay ny olana ara-pitantanana, ny adilalahy politika,... Zary lasa aretina miotrika sy toa homamiadana mamely an’I Madagasikara ny tarazon’ny lonilony sy ny valifaty politika, hany ka lasa sorona ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Tao anatin’ny fitantanana an’I Madagasikara niainga taty amin’ny vanim-potoana nanambarana ny fahaleovantena ny taona 1960, roa taona taorian’ny nanambarana ny Repoblikan’I Madagasikara, saika nandalo krizy ara-politika hatrany ny firenena. Tamin’ireo 13 nitondra: ny iray nisy namono dia ny Kolonely Ratsimandrava tany amin’ny 11 febroary 1975, ny 5 niongana sy voatery niala tamin’ny toerany. Niongana ny Filoha Ratsiraka tamin’ny taona 1991 rehefa nangotraka ny tolon’ny Herivelona; tratry ny “empêchement” ny Filoha Zafy Albert ny taona 1996. Voatery nitsoaka tany ivelany ny Filoha Ratsiraka rehefa nipoaka ny krizy taorian’ny fifidianana 2001; tratry ny fanonganam-panjakana I Marc Ravalomanana ny 2009. Tratry ny fidinanana an-dalambe ihany koa ny Filoha Rajaonarimampianina ny 2018, ka voatery nifampizara governemanta tamin’ireo nanongana azy,... Tahaka izany foana ve ny sary politika tiana hapetraka eto? Fotoana kosa izao hamadihana ny pejy, ka izay tsara sy hita fa nety hatramin’izay tohizana, fa ny tsy nety kosa havalona any amin’izay. Mila firaisankiana sy fitiavan-tanindrazana ity firenena ity, mila fiaraha-mientana hiala ao anaty tarazon’ny fifandirana sy ny fitiavan-tena, mila mahatsapa ny rehetra fa ny isam-batan’olona no harena voalohany afaka mijoro ho fanohitry ny fampandrosoana an’I Madagasikara, mila ianarana sy fantarina hoe: iza ity Madagasikara ity ary inona ireo harena lehibe ananany kanefa tsy fantatsika, mba hahatsapan’ny rehetra fa hay tsy tokony ho tahaka izao ity firenena ity, fa manana ny herijika sy hoenti-manana rehetra ahafahany mandroso. Tsy afaka ny hiolonolona eto ihany koa anefa isika fa mila mivelatra amin’ny fanatontoloana, ka ny zava-dehibe dia ny fahaizana mifehy sy mikirakira izany mba ho lasa fanohitra satria efa rivotra mitsoaka maneran-tany ny toekarena nomerika. Tsy afaka ny ho tonga amin’izany rehetra izany anefa isika, raha tsy misy ny fiaraha-mientana hanavotra ity firenena ity!
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap