airtel

Politique

19-juil-2023

Politique

Sata ho an’ny fitondran-tena mendrika Am-polony hatreto ny antoko politika nanasonia

Sample post image

Ny fitadiavana vahaolana hitondra any amin’ny fitoniana dia lalan-tsaina nananganana ny antoko politika Fiombonana,

19-juil-2023

hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, tonga nanasonia ny Sata ho an’ny fitondran-tena mendrika ho an’ireo antoko politika na “Charte de bonne conduite des partis politiques” tetsy amin’ny FES Ankadifotsy omaly. Aza adino, hoy izy, fa taom-pifidianana ity taona ity. iIaina izay fitoniana izay. Tafiditra ao anatin’ny fitadiavana izany izao sata nokarakarain’ny FES izay vatsian’ny vondrona eoropeanina vola izao mahakasika ireo fitsipi-dalao tokony ankatoavina sy lalain’ny antoko politika rehetra mialohan’ny fifidianana mba tsy hisian’ny krizy aorian’ny fifidianana. Ny mampalahelo fotsiny dia hoe tsy maintsy miandry ireo rafitra avy any ivelany ireo ve vao afaka mikarakara izany sata ho an’ny fitondran-tena mendrika izany? Isaorana ny FES namolavola ilay sata izay nandalo teo ambany mason’ny antoko politika rehetra, izay tsy an-tery moa ny nanasoniavana izany. Ny tsy fahatongavan-tsainan’ny mpanao politika mikasika ny fanatsarana ny dingana hikarakarana fifidianana no mampalahelo anay ao anatin’ilay izy. Tsy maintsy miaina amin’ny zava-misy isika izao rehefa tsy tonga saina ny mpanao politika. Miha manakaiky ny fifidianana ka mba hahatonga anay anatin’ilay vondrona hety hanaiky ilay voka-pifidianana eo dia nanao sonia izahay mba tsy ho tomponandraikitra amin’ny mety ho korontana hisy raha toa ny antoko politika sasany tsy hanaiky hanasonia ity sata ity raha mizotra ara-dalàna ny fikarakarana fifidianana. Raha avy amin’ny fitondram-panjakana kosa ny tsy fahatomombanana dia tsy maintsy hitaky ny rariny mikasika ny voka-pifidianana foana kosa izahay, hoy hatrany ity antoko ity. Mbola am-polony moa hatreto ireo antoko politika nanasonia ity sata ary mbola manasa ireo antoko hafa hamaky sy hanasonia izany ny FES mialohan’ny fe-potoana ahafahana manatitra dosie filantsahan-kofidiana, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Légende: Ry zareo ao amin’ny antoko fiombonana
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap