na banky ropitra tanteraka ny Fanjakana Malagasy. Nisy depiote aza tena sahy niteny mihitsy tamin’ny mpitondra miainga any an-tampony hoe: maheno ianareo ka manaova fanambarana fa ary fa diso ny zavatra ambarako. Niezaka nanome toky ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, fa manam-bola ny Fanjakana. Andaniny, raha ilay fampahafantarana na “circulaire” nalefan'ny GEM (Groupement des Enterprises de Madagascar) amin'ny mpikambana dia babangoana ny kitapom-bolam-panjakana ka miandry vola 100 tapitrisa dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny jona ankilany, noho izany dia tsy afaka ny mampihatra sy manohy intsony ilay karama farany ambany 250 000Ar fa lasa 238 000Ar satria tsy afaka mandrotsaka ilay 12 000Ar tokony haloany intsony ny Fanjakana. Misy anefa ilay serasera nataon’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola momba ny famoaham-bola mandeha. Ahoana moa izany hoe: 73% an'ny "prestataires" nanao asa tamin’ny tsenam-baro-panjakana no efa voalohan'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny fitatanam-bola tao anatin'ny 2 herinandro (mpandraharaha miisa 13704 ary mitetina 577 miliara ariary) ka ny 13% miandry fandrotsaham-bola na “virement”, 14% eo am-pikirakirana ny antontan-taratasy,... Nambara fa hiroso amin'ny fandoavana ireo mpandraharaha amin'ny FR (Fonds Routier) ka miandry ny lisitra voamarina ny minisiteran'ny Toekarena sy ny fitatanam-bola. 2 396 ny dosie nambara fa eo am-pikirakirana eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana, ka ao anatin’ny 2 herinandro manaraka no handoavana ny vola 176 miliara Ariary mifandraika amin’izany. Tena manam-bola ve ny Fanjakana sa sora-bola fotsiny raha tarafina amin’ireo olana misy. Avy nandalo olana be momba ny fandoavana ny volan’ireo mpandraharaha ara-tsolika sy mpamatsy herinaratra ny Jirama tahaka ny Tozzi Green izay namoaka fanambarana fa hanapaka ny famatsiana raha tsy voaloa ny 250 miliara Ar. Ny Fanjakana izay nandefa taratasy tany amin’ny Vondrona Eoropeanina Isabelle Delattre ihany koa ny 29 aprily mikasika ny tetibola hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena, fa hahena ary tsy hihoatra ny 70 miliara Ar. Nahena eo amin’ny antsasany izany io satria manodidina ny 140 miliara teo aloha. Tsy endrika iray hafa manaporofo ve izany fa sahirana tanteraka ara-bola ny Fanjakana ?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra