Raha efa mikofokofoka manentana ny olona hanamarina ny anarany sy hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana sy manao fanentanana ara-pifidianana na “précampagne” ny mpanohitra, dia tsy mba handrenesana izany kosa ny mpitondra. Misy ny manomboka maneho, fa tsy miraharaha an’izany ny eo amin’ny fitondrana, fa efa manana ny kajiny heveriny fa hahafahany mitazona io toerany io. Na izany aza, hita taratra amin’ny hetsika ara-panjakana samihafa ny karazana propagandy ankolaka mialohan’ny fotoana ataon’ny Filoha, toy ireny tany Ambovombe sy ny faritra hafa ireny. Na izany aza, efa ny tapaky ny febroary aza no nilazan’ny HCC fa azo ekena ary tsy mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana ny hanatanterahana izany ny 09 novambra ho an’ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, saingy tsy mbola namoaka tetiandro manamafy na manitsy izany ny governemanta. “Mahazo matoky fa ny governemanta dia tsy afaka ny hieritreritra fa tsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana Filohan’ny Repoblika”, hoy ny Minisitry ny fanajariana ny tany Atoa Houlder Ramaholimasy ny 24 martsa nandritra ilay fampihaonana politika notarihin’ny CENI. Nilaza io minisitra io fa tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, ary tsy maintsy ao anatin’ny fanajana tanteraka ny voalazan’ny andininy faha-51 ao anatin’ny lalàmpanorenana, izay mamaritra fa tsy maintsy miala 90 andro mialoha ny Filoha am-perinasa. Inona no tsy hahasahian’ny governemanta mamoaka tetiandro mazava aza hatreto? Mbola maro ihany koa anefa ny adihevitra sy adivarotra politika, toy ny mbola fisian’ny antoko na vondron’antoko tsy mahatoky ny rafitra ara-pifidianana.
AHEMOTRA NY FIFIDIANANA ?
Raha ny ritsoka mandeha mantsy, dia toa tadiavina izay fomba hanemorana ny fifidianana amin’ny alalan’ny fanokafana ny CENI sy ny HCC ho amin’ny herivelona samihafa. Mety handeha ao anatin’io ny fanovana ny lalàm-pifidianana sy ny pitsopitsony. Lasa hisy fahaterahana tetezamita ao anatin’ny fanatanterahana izany rehetra izany, raha io no ho làlana hizorana satria mbola ho lava na halavaina ny adihevitra sy adivarotra politika ao anatin’izany. Tena misy miketrika hanao an’io, ary anisany ny any anaty Fanjakana mba hisian’ny fanalavam-potoana satria ho sarotsarotra ny hiatrehany ny safidim-bahoaka amin’izao, hoy ny loharanom-baovao. Ao ihany koa anefa ny mietrika fa hoentina amin’ny fanomezana fahefana bebe kokoa ny Praiminisitra rehefa tsy eo ny Filoha, ka ilay tapany farany amin’ny andininy faha-55 amin’ny lalàmpanorenana hoe: “… Afaka mamindra ny sasantsasany amin’ny fahefany amin’ny Praiminisitra ny Filohan’ny Repoblika” no hitondrana azy, saingy mety mbola ho endrika tetezamita ihany no mety hisehoany.
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra