airtel

Politique

17-juil-2023

Politique

Tontolo politika Mafy ny vely kanotan’ireo olon’ny fitondrana taloha

Sample post image

Miha mangotraka ny fandetehana ara-politika ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina na mandeha aza ny fanadiovan-tena manara-penitra tahaka ny nataony omaly.

17-juil-2023

Ny mpanohitra efa ofisialy ny maha mpanohitra azy, fa misy ihany koa ireo mpanohitra vaovao izay lombolombon’ny ataon’ny mpanohitra hatramin’izay fa ireo tao anaty fitondrana niofo ho mpanohitra no tena henjana ny fandetehana ataon’izy ireny. Betsaka ireo efa niala tamin’ny fitondrana no mahalala tsiambaratelo maro tao anatiny tao, ary mety hanana bala maro ahafahana mamely hatrany an’I Andry Rajoelina. Ireny efa niaraha-naheno ireny ny tsikera mivaivain’ny Minisitra teo aloha Atoa Hajo Andrianainarivelo izay nilaza tsy tahaka izao mihitsy no fanovana nimatimantesana, fa vao mainka nihemotra firenena, ary manaporofo izany ireo tondro samihafa. Sahy nilaza fa raha nahalala fa mizaka ny zom-pirenena Frantsay Atoa Andry Rajoelina dia tsy nanohana azy ny MMM tamin’ny 2018. Niampanga ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ho sakana tamin’ny famoaham-bola hanaovana ny làlam-pirenena, ka anton’ny fahapotehana maro amin’izao. Fotoana fohy taorian’izany, niditra tamin’ny filankevitry ny minisitra manokana ny Fitondram-panjakana, ka nandeha ny fampanantenana hanamboatra làlana etsy sy eroa, tahaka ny eto Antananarivo Renivohitra. Naninona no notazanim-potsiny hatrizay fa aty amin’ny 4 volana tsy hanaovana fifidianana vao hoe: atao izao sy izao? Iray amin’ireo niara-dia tamin’ny fitondrana Rajoelina ihany koa ingahy Siteny Randrianasoloniako, fa raha misy mpanao politika manao tsakin’ady ny Filoha ankehitriny angamba dia isan’ny lohalaharana ny tenany. «Tsy tafavoakanareo ny fitondrana ny Firenena, ary raha sandaina naoty izany dia aotra boribory (zéro) ambonin'ny 20 (00/20) ny tombana fandanja anareo. Tsy aleo ve miala raha tsy mahavita”, hoy izy. Nilaza ho tsy mbola tsy nahita izy nandritry ny 60 taona hoe nisy fitondrana namotika ny fiainam-bahoaka tahaka ity fitondrana ankehitriny ity. “Tsy raharahin'ny mpanao politika ny fiantraikan'ny fanapahan-kevitra politika raisiny noho ny fiarovan-tseza. Ny mahagaga dia tsy fantatry ny filoham-pirenena ny mampiavaka ny fanapariaham-pahefana (décentralisation) sy ny tsy fampivangongoana (déconcentration). Ny voalohany, dia manana teti-bola mahaleotena ny isam-paritra, fa ireny fizarana fitaovana ireny dia "déconcentration. ‘Ndana aloha miverina mianatra fa tsy ampy solaitra", hoy I Siteny Randrianasoloniaiko. Nohitrikitrihiny aza, fa tsy ny fotodrafitrasa no atao hoe fanapariaham-pahefana fa ny fahefana omena ny isam-paritra ary indrindra indrindra ny teti-bola mahaleotena nomena azy ireny. Ara-politika, efa nilaza I Hajo Andrianainarivelo fa tsy tafiditra amin’ny fihodinana faharoa I Andry Rajoelina raha kandida. Efa naneho ny depiote teo aloha Atoa Tody Arnaud fa ireo diso fanantenana tamin’I Andry Rajoelina tamin’ny 2018 dia efa ampy tsy hahalalany azy. Ireo mpandinika politika sy mpandalina raharaham-pirenena sasany milaza fa tokony hanaja tena hivoaka amin’ny varavarambe. Dia asa aloha izay ho fiafarany, fa toa ny hambo-po diso toerana matetika no hanaovana sorona ny firenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap